Toe-karena

Tetikasa LEAD : kamiao 50 ho an’ny Jirama

Mamatsy vola ny tetikasa Least-cost electricity acces development (LEAD) tanterahin’ny Jirama ny Banky Iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fanatsarana sy ny fanitarana ny herinaratra amin’ny vidiny mora. Eo koa ny fampidiran-jiro amin’ny vidiny mora (branchement mora), sy ny famatsiana herinaratra ny toeram-pitsaboana CSB manerana ny Nosy. Hanatan­terahana ireo, nisy ny fampitaovana […]

Fambolen-kazo: nanatsatoka zanakazo 6.500 isa ny antoko Maitso

Nanatanteraka ny fambolen-kazony ho an’ny taona 2023 ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, ny sabotsy teo, teny amin’ny fokontany Tsa­ra­ray, kaominina Fieferana, distrika Avaradrano. Miisa 6.500 ny zanakazo nambolena tamin’ny velaran-tany 25 ha, nahitana acacia, aviavy, filao, ravintsara ary hazo fihinamboa. Nanodidina ny 600 ny mpikambana nandray anjara, notarihin’ny filoha nasionaly […]

Antsiranana II : horita maherin’ny 20.000 kilao, azo tao anatin’ny iray andro

Mihatsara hatrany ny fitantanana ny hazandrano horita any amin’ny distrikan’Antsiranana II, faritra Diana. Nahatratra 20.000 kilao ny horita azo nandritra ny fotoana nanokafana ny fotoam-panjonoana sady nihatsara koa ny vidiny. Hitarina amin’ny karazana hazandrano hafa, toy ny lamatra sy ny drakaka ny fametrahana fotoam-pikatonan’ny jono ao amin’ny faritra Diana. Nosokafana […]

Fahasimban’ny tontolo iainana : tafiditra anatin’ny faritra mena i Madagasikara

Tafiditra anatin’ny faritra mena amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasi­kara, raha ny tatitra navoa­kan’ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN) tamin’ny 2020. Mahatratra 15000 isan-taona ireo zava-mananaina ahina ho lany tamingana eto Madaga­sikara nanomboka ny taona 2022. Nankalazaina omaly tetsy amin’ny Lycée Moderne Am­pefiloha ny hetsika iraisam-pirenena […]