Nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ireo delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny mpitondra fanjakana malagasy. Nisy ezaka vita ny fanjakana fa maro koa ny mila hatao. Namita iraka teto Madagasikara izy ireo, ny 3 hatramin’ny 12 mey teo, mikasika ny Fampindramam-bola nohamoraina (Fec), andiany fahefatra. Efa nankatoavina ny marsa 2021 […]
Toe-karena
Sokatra 43 very tany Toliara : tsy nampiharina ny Dinabe
Nisy sokatra miisa 43 tratra tany amin’ny tokantranon’olona iray, ny volana avrily teo. Niisa efatra no voarohirohy, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dreed) Atsimo Andrefana. Olona telo indray no voaantson’ny fitsarana, nomena fahafahana vonjimaika ny roa, anisan’ilay nahatrarana ny sokatra tao an-trano, ary iray […]
Harena an-kibon’ny tany : nahitsin’ny loholona ny tamberim-bidy
Lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona, ny zoma 19 mey teo, ny volavolan-dalàna manavao ny mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Miisa dimy ireo andinin-dalàna ireo, ka anisan’izany ny fitsinjarana ny tamberim-bidy. Anisan’ny nahitsin’ny loholona ny andininy faha-31, mikasika ny fanomezan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Afaka manome fahazoan-dalana ny filankevitry ny minisitra, […]
Imianta : fampandrosoana ny terak’Imady
Niorina ny taona 1991 ny Fikambanan’ny terak’Imady monina eto Antananarivo (Imianta). Tanjona ny hiroboroboan’ny mpikambana sy hisian’ny firaisankina ho an’ireo mila ravinahitra sy monina eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 4.000 ny mpikambana amin’izao fotoana izao. Ahitana mpandraharaha ara-toekarena, indrindra ny sehatry ny varotra, ny trano fiantranoana. Misy koa ny manana andraikitra […]
Mampifandray kaominina: vita ny lalana mampitohy an’Ambalatenina sy Ampisokina
Nahavaky lalam-baovao, lalan-tany 22 km mampifandray ny fokontanin’Ambalatenina avaratra sy ny renivohitry ny kaominina Andodabe tonga hatrany amin’ny kaominina Ampisokina, distrika Toamasina II ny fitondram-panjakana. Natao izao mba hampifandraisana ny faritra sy hanamorana ny fampandrosoana ary ny famoaham-bokatra any an-toerana. Tombontsoa ho an’ny mponina ity fotodrafitrasa vaovao ity noho izy […]





