Toe-karena

Minisiteran’ny Toekarena : atrikasa fampi­toviana ny fanaraha-maso ny tsenam-panjakana

Nisy atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, momba ny Tolotra atao eo amin’ny tsenam-panjakana (Marché public) na­nomboka ny 20 hatramin’ny anio 22 febroary 2023 teto Antananarivo. Atrikasa mandritra ny telo andro ho fanofanana ara-teknika ireo mpikambana ao amin’ny Komi­tim-pirenena momba ny tsena (Commision Nationale des Marchés) Fanofanana ara-teknika mifantoka […]

Antenimieran-doholona : fiaraha-miasa amin’i La Réunion

Mamita iraka ofisialy atsy amin’ny Nosy La Réunion ny filohan’ny Antenimiera-doholona, Razafimahefa Herima­nana nanomboka ny 19 febroary teo. Miara-dia aminy ny loholona Eddie Serge Fer­nand sy ny kestiora Manasoa Donat Tang. Maro ny fihaonana sy ny fivoriana ataon’iz6y ireo miaraka amin’ny faritra La Réu­nion, hikarohana ny fiaraha-miasa azo atao eo […]

Usaid- ONE : hampiasain’ ny Hay Natiora ny fitaovan’ny Hay Tao

Natao, omaly, ny fanomezan’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana (Usaid), fitaovana samihafa ho an’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE). Nampiasaina tamin’ny tetikasa Hay Tao, izay efa tapitra ny fe-potoam-piasana ireo fitaovana ireo, ahitana kojakoja birao (latabatra, seza, sns), fitaovana informatika (ordinatera, écran plat, projetcteurs, sns). Fa ny tena zava-dehibe […]

Minisitra Andriamanampisoa Soloniaina: hapetraka ny foibe herinaratra 36 avy amin’ny masoandro

Natao, omaly teny Ampandrianomby, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Angovo sy akoranafo Andriamanampisoa Soloniaina Rasamoelina, vao notendrena, handimby an-dRamaroson Andry. Nitanisa ny fanambiny ny minisitra vaovao. Nilaza ny minisitry ny Angovo teo aloha, Ramaroson Andry, fa misy ny fotoana fanombohana, ary tsy maintsy misy ny fiafarany. Koa, nahafaly azy […]

Fiavian’ny rivodoza Freddy: miomana amin’ny famatsiana ny minisitera

Miomana amin’ny fiavian’ ny rivodoza Freddy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC). Halefa any amin’ny faritra samihafa dieny izao ny Vary Tsinjo hi­tsinjovana ny mety ho fahasarotana amin’ny famatsiana noho ny andro ratsy na mety ho fahatapahan’ny lalana. Niainga teto Antananarivo tamin’ny 19 febroary 2023 […]