Araka ny fivoriana nataon’ny filankevim-pitantanana, voatendry ho tale mpanatanteraka vaovao, hitantana ny fikambanana, ny Fondation Tany Meva, i Rasoanaivo Hariliva, nanomboka ny 23 janoary 2023 teo. Izy no handimby ny tale teo aloha, Fanohiza Claude. Niorina ny taona 1996 ny Fondation Tany Meva, misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mamatsy […]
Toe-karena
Minisitra Andriamanampisoa Soloniaina: «Misy alamina kely Ivolobe sy Sahofika»
Anisan’ny tetikasa goavana amin’ny lafiny famatsiana herinaratra ny Ivolobe sy ny Sahofika, samy iarahana amin’ny orinasa tsy miankina. Nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, omaly, fa misy singa mbola alamina ao anatin’ny fifanarahana amin’ireo roa ireo iarahana amin’ireo orinasa tsy miankina ao anatiny. Isan’izany ny lafiny […]
Tetikasa Prirtem II: hisitraka herinaratra ny 70%-n’ny malagasy amin’ny 2030
Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa Prirtem II, mifantoka amin’ny fitaterana herinaratra miainga eto Antananarivo mankany Antsirabe. Tanjona ny hampiakarana avo roa heny ny herinaratra vokarina, ka hisitraka izany ny 50%-n’ny malagasy amin’ity taona 2023 ity ary ho ny 70% amin’ny taona 2030. Misy ny tetikasa hanatsarana sy hampitomboana ny famatsiana sy […]
Fondation Daiho- Uchida : vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra 5 mendrika
Natolotry ny fikambanana Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny zoma 24 febroary teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra malagasy miisa dimy mendrika avy amin’ny sekoly ambony. Mi-tentina 1.000.000 Ar tsirairay avy izany ho azy dimy mianadahy, hoentina hanatsarana sady hanampiany ny fianarana rantoviny. Isan’ny masontsivana hisafidianana ny mahazo vatsim-pianarana avy amin’ny Fondation […]
Talohan’ny Covid-19 : nisanda 1,7 miliara dolara ny fizahantany
Manomboka mahazo vahana ny fizahantany eto Madagasikara. Mahasarika olona maro isan-taona avy amin’ny tany rehetra. betsaka ny zavatra hita mifangaro sy karazana tsiambaratelo maha hafa ny Nosy eo amin’ny tontolon’ny zavaboahary sy ny biby mampiavaka azy amin’ny rehetra. Fitsidihana indray mandeha atao amin’ny Nosy, tsy mahavita hahafantarana ny zava-drehetra, tantara […]




