Toe-karena

tetibolam-panjakana 2025 : Sehatra telo no ho laharam-pahamehana

Mibahan-toerana ao ana­tin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ho an’ny taona 2025 (PLFI) ny sehatry ny fam­bolena, ny angovo azo havaozina ary ny fotodrafitrasa. Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hamerenana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina, amin’ny alalan’ny fanovana sy fampiroboroboana ny fambolena. Haparitaka any amin’ny tantsaha ny volivary safiotra […]

Olan’ny delestazy : hampiasaina avokoa ireo milina mpamokatra herinaratra

Tsy tokony hisy delestazy intsony manomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 orana alina, hoy ny filoha, nandritra ny fitsidihana nataony teny Ambohimanambola, omaly. Hampiasaina avokoa ireo milina mpamokatra herinaratra hampihenana hatramin’ny 80% ny fahatapahan-jiro. Vahaolana ampiharina avy hatrany no nentin’ny filoham-pirenena hampihenana ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodi­dina, […]

Fandaharanasa Masterclass : hampitana ny voka-pikarohana

Hanohana ny fikarohana siantifika sy hanampy amin’ny fampitana izany ho an’ny daholobe ny Telma Mada­gascar sy ny Axian University amin’ny alalan’ny fandaharanasa Masterclass. « Tanjona ny hampiroboroboana ny seraseran’ireo voka-pikarohana sy hanampiana ireo mpikaroka hampahafantatra izany », hoy ny tomponandraikitry ny Telma, Randrianjatovonarivo Mamy Henintsoa. Noho izany, ma­nao fiofanana mandritra ny roa […]

VAOVAO TAMBATRA

Hiroso amin’ny fampihodinana tsikelikely ny famokarana ataony ny orinasa Ambatovy rehefa niato nandritra ny iray volana mahery, noho ny fahavakisan’ny fantsona mpitatitra akora mampitohy ny fitrandrahana ao Moramanga sy ny orinasa ao Toamasina. Nitaky asa betsaka ireo fanarenana ireo, anisan’izany ny fanamarinana ny hamafisan’ny fantsona. Tsiahivina fa vaky ny 25 […]

Toekarena manga : antoky ny takalo ara-barotra

Hatolotra mialoha ny filankevitry ny minisitra, anio, ny fikasana ho fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa, ho fampiroboroboana ny fikarohana ny ranomasina sy ny harena ao aminy. Tanjona ny hampandrosoana ny toekarena manga eto amintsika. Mandray anjara 80% amin’ny fifanakalozana ara-barotra maneran-tany ny ranomasina. Fonenan’ny 80% ny zavamananaina eto ambonin’ny tany koa izy ary […]