Toe-karena

Alliance pour la vanille de Madagascar : Manokana 40% ny tetibolany hividianana lavanila

Hividianana lavanila voakarakara ny 40% ny volan’ny Alliance pour la vanille de Madagascar (AVM). Tapaka izany nandritra ny fivoriana voalohan’ny filankevi-pitantanana tany Antalaha sy Sambava, omaly. Fanapahan-kevitra natao hitrohana ireo tahirim-bokatra be loatra ka mampitotongana ny vidin’ny lavanila ny vahaolana napetraka. Natao izany hanarenana ity seha-pihariana sy miantoka fidiram-bolan’ny mpamokatra […]

VAOVAO TAMBATRA

Notanterahina teo amin’ny tokotanin’ny Gara Soarano, ny 12 sy 13 jona lasa teo, ny andiany fahafolo amin’ny Forum de l’orientation et de l’employabilité (FOE 10). Noresahina manokana nandritra izany ny lohahevitra “Fanovana ara-niomerika sy Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA): ahoana no hampifanarahana ny fiofanana sy ny fahaiza-manao amin’ny filan’ny tsenan’asa ?”. Nasongadina […]

« Ampela mandraharaha » : Fanofanana sy fanohanana ho an’ny fahombiazana

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny fandaharanasa “Am­pela mandraharaha”. Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy mpandraharaha mba hahafahan’izy ireo mampivelatra ny asa maharitra sy mandray anjara bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nam­baran’ny mpikarakara fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fahombiazan’ny fandraharahana ny fanofanana. “Tsy afaka […]

Fiarovana ny mpanjifa : Charcuterie 7 caddy nogiazana

Hentitra ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) manoloana ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo azo amin’ny hena voahodina teto Antananarivo sy Antsirabe. Vokany, nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo kaomisera sy tomponandraikitra tamin’ireo toeram-pivarotana lehibe (Grandes surfaces) manerana ny Nosy. Vokany, nahatratra 7 “caddy” ny “charcuterie” nogiazana sy atao fitiliana, tamina toeram-pivarotana […]

“Ranty Vokatra 2026” : Hahazo sehatra ireo orinasa tena madinika (MTPME)

Hotanterahina ny 24 sy 25 jona, ao Anjeva Gara, distrikan’Antananarivo Avaradrano, ny hetsika “Ranty Vokatra”, andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA). Tanjona ny hanasongadina ny vokatra avy eto an-toerana sy hanamafisana ny fahafahan’ny orinasa tena madinika sy madinika ary salantsalany (MTPME) manitatra ny fiaraha-miasa […]