Mirona tsikelikely amin’ny fampiasana ny niomerika ny CNTEMAD. Amin’ny maha «Université virtuelle» azy, manamora ny fampianarana ambony izy amin’ny fampiasana ny teknolojia toy ny finday mba hialana tsikelikely amin’ny fampiasana ny fitaovana teo aloha. «Mampiavaka ity rafitra vaovao ity ny fahafahan’ny rehetra misitraka fampianarana na aiza na aiza misy azy», […]
Toe-karena
Tao anatin’ny 20 taona : Miisa 24 799 ny orinasa voasoratra eny amin’ny EDBM
Tsara ny vokatra ho an’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), nandritra ny 20 taona niorenany. Navaozina ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fampiasana ny « Guichet unique » sy ny niomerika. Vita ao anatin’ny 48 ora ny fananganana orinasa. Mahatratra 24 799 ireo voasoratra. Nanao jery todika sy nampahafantatra ny […]
Fizahantany : Haseho etsy Antaninarerina i Menabe
Mbola ampahany ihany fa tsy Menabe manontolo. Hanao hetsika « Busness day » fampahafantarana ny tontolon’ny fizahantany amin’iny faritra iny ny eo anivon’ny Groupe Kimony amin’ny alalan’ireo « Centre ecoutouristique du Menabe ». Hanomboka anio, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ny zaridain’Antaninarenina izany. Ahitana ireo tranoheva momba ny hotely fandraisam-bahiny, ny tontolon’ny fizahantany, ny sakafo sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Nakatona vonjimaika ny tsena iray ao Anosibe noho ny tsy fanarahana ny fenitra sy ny fitsipika mifehy ny asa. Vary amidy tamin’ny mpivarotra maromaro koa no nakana santionany alefa ho tiliana, hanaporofoana raha misy tokoa ny vary nafangaro. Ankilany, nisava ny taratasim-barotra toy ny faktiora, nahafahana nanamarina raha ara-drariny ny […]
QMM : Ampiasaina ny vato sokay hanatsarana ny rano
Manohy ny firotsahany an-tsehatra ny orinasa QMM any Taolagnaro, hisian’ny mangarahara sy ny fitantanana ny rano any an-toerana. Ampiasaina ny vato sokay hanatsarana ny kalitaon’ny rano. Nivoaka ny tatitra fahefatra mahakasika ny rano ampiasain’ny orinasa QMM any Taolagnaro. Mahafaoka ny vanim-potoana novambra 2024 hatramin’ny oktobra 2025 ity tatitra ity. Fantatra […]




