Finiavana iraisana ny hanafainganana ny fanovana niomerika ho fitaovana iray hanavaozana ny fampianarana sy ny fikarohana eto Madagasikara. Vita sonia, ny alatsinainy teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), Ndaohialy Manda Vy sy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye. Fifanaraham-piaraha-miasa mifantoka amina […]
Toe-karena
Fanaingana ny toekarena : Ifantohana ny fampidiram-bola anatiny
Nitondra fanazavana nanoloana ny solombavambahoaka, teny Tsimbazaza, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny alatsinainy teo. Nifantohana ny Tetibola nasiam-panitsiana « LFR 2026 ». Nihena ho 3,8% ny fitomboan’ny Harinkarena faobe raha toa ka 4,8% no novinavinaina tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana “LFI 2026”. Nahatonga izany […]
VAOVAO TAMBATRA
Manomboka miakatra sahady ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fetin’ny asaramanitra izao. Lasa 850 Ar ny vidin’ny atody raha toa ka mbola 700 Ar izany teo aloha. Mananika ny 9 800 Ar ihany koa ny vidin’ny menaka eny amin’ireo mpamongady, raha toa ka efa mahatratra 10 000 Ar izany […]
Tohodranon’i Soanala : Niakatra avo roa heny ny voka-bary
Manondraka velaran-tany 2 026 ha ny tohodrano vaovao any amin’ny kaominina Soanala, faritra Anôsy. Nahavitana izany ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Afaka mamboly indroa, isan-taona, ny tantsaha any an-toerana, ankehitriny. Mahatratra 4 800 ny tantsaha misitraka ity fotodrafitrasa ity. […]
Toamasina : Maro ny antony mahasimba ny lalana
Mizara telo ny antony mahapotika ny lalana godirao eto Toamasina. Voalohany, be loatra ny orana ka miangona matetika ny rano, sady tsentsina ny lakandrano. Faharoa, simba ny lalana vokatry ny fandoran’ny olona ny kodiarana eny amin’ny arabe. Fahatelo, ny fiantraikan’ny rivodoza Gezani farany teo. Manoloana ireo, nilaza ny ben’ny Tanànan’i […]





