Hiditra ao anatin’ny vanim-potoana maintany isika. Araka ny fanazavan’ny Tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra (DGAE) ny Jirama, Manda Ny Aina Nomena, efa miatrika izany isika, ka nisy ny fandatsahana orana artifisialy ny alakamisy 4 sy zoma 5 jona teo. Niato kely ny sabotsy ary notohizana ny alahady 7 sy […]
Toe-karena
Lalam-pirenena : Hotokanana rahampitso ny RN13
Vita fifanarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina tamin’ny taona 2017 ny hamatsiany vola ny fanarenana ny lalam-pirenena RN13, ampahany eo Ambovombe hatrany Taolagnaro. Vita izany, ankehitriny, hitondra fiovana sy fampandrosoana ny faritra atsimon’ny Nosy. Mitotaly 493 km ny lalam-pirenena RN13 eo Ihosy hatrany Taolagnaro. Nanaiky hamatsy vola ny fanarenana, hatao godirao, ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Mirefy 379 km ny lalana eo Ihosy sy Ambovombe, ao anatin’ny lalam-pirenena RN13. Mitotaly 493 km izany hatrany Taolagnaro, efa vita godirao ny hatreo Ambovombe. Namatsy vola ny fanamboarana ny ampahany Ambovombe-Taolagnaro, mirefy 114 km, ny Vondrona eoropeanina (UE), izay ho vita tanteraka amin’ity taona ity. Tsy mbola fantatra kosa […]
Minisitra Dr. Ramiarison : Laharam-pahamehana ny fitoniana ara-toekarena
Anisan’ireo nitondra fanazavana momba ny fepetra sy ny laharam-pahamehan’ny governemanta, nanoloana ny solombavabahoaka teny Tsimbazaza, omaly, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Notsipihiny fa tsy maintsy hatao ny fiarovana ny fahefa-mividin’ny Malagasy sy ny fitoniana ara-toekarena. Fanampin’izany, hafainganina ny famoahana ireo famatsiam-bola sy ny […]
Angovo: Hamatsy solika antsika i Nizeria
Nitondra zava-baovao ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika (PRRM), ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fahatongavany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alatsinainy 8 jona teo. Nambarany fa zava-dehibe ny dia natao tany Nizeria, satria nisy ny fifanarahana, izay nankatoavin’ny fanjakana nizeriana amin’ny hamatsiana solika an’i Madagasikara. Hatao tsy ho ela ny […]





