Naneho ny fanohanany ny Fadintseranana Malagasy, omaly, ny firenena sinoa. Nanolotra fitaovam-pitiliana siantifika maromaro, hampitaovana ny laboratoara ao anatin’ny Foibe akademian’ny Ladoany malagasy any Toamasina izy ireo. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy (DGD), Randrianjafy Antoine, fa zava-dehibe miavaka ity nataon’ny firenena sinoa ity, satria, hanampy sy hanatsara ny asan’ny […]
Toe-karena
Fizahantany : Azo tratrarina ny vahiny 600 000 isan-taona
Nosokafana omaly 11 jona, eny amin’ny CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) andiany faha-12, sy ho an’ny asa tanana IHM, andiany fahatelo. Lohahevitra noraisina ny hoe: Ny harena maha olombelona, fototry ny dia mankaty Madagasikara ». Haharitra hatramin’ny alahady 14 jona 2026 ity fotoan-dehibe ity. Nasongadin’ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny […]
Filoha Randrianirina Michaël : Tsy maintsy ahitana vola ny hamitana manontolo ny RN13
Napetraky ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, ny vato fototra ho fanombohana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Betroka. Nanome toky koa izy fa tsy maintsy ahitana mpamatsy vola ny hamitana manontolo ny eo Ihosy hatrany Ambovombe. Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN13. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanamboarana ny lalana mamakivaky […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ny tetikasa Produir. Ny fanjakana no hiantoka ny vola hanatanterahana azy. Tsiahivina, fa natao itsinjovana amin’ ny tondradrano eny amin’ny faritra iva eto Antananarivo ity tetikasa ity. Voakasik’izany, ny fiarovana ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, ary indrindra ny fanadiovana sy ny fanamafisana ny lakandrano Andriantany sy […]
Famokarana : Hanafatra trakitera hanatsarana ny fambolena
Nitondra fanazavana, namaly ny fanontanian’ny solombavambahoaka, ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny talata 9 jona teo. Nomarihiny manokana ireo paikady lehibe, mamaritra ny politikan’ny fanjakana, entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara. Toy ny fanohanana mivantana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny fanamorana ny fisitrahana masomboly […]





