Toe-karena

Famatsiam-bola avy amin’ny Bad : hatsaraina ny fifehezana ny rano

Natao sonia, ny talata 17 janoary teo, ny fifanarahana famatsiam-bola roa sosona iarahana amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Mifantoka amin’ny hifehezana ny rano sy ny loharano izany, hanatsarana ny fotodrafitrasa samihafa mifandraika aminy. Famatsiam-bola fanampiny ny voalohany, ao anatin’ny Fandaharana­sa famatsiam-bola ho an’ny ambana amin’ny loza voajanahary aty […]

Herinaratra : 10 taona nitondrana vahaolana

10 taona lasa izay, firenena 10 no nivory tany La Réunion, anisan’izany ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina, niaraka tamin’ireo fikambanana iraisam-pirenena, nanao sonia nifanaiky hanamafy ny fiaraha-miasany, hampitovy fomba fijery mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro sy ny angovo. Fa­namby iraisan’ny Nosy rehetra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny hanatsarana ny famokarana […]

Ranobe : miray feo ny mponina

Any amin’ny 5 km avaratra atsinanan’i Ranobe, ary 8 km atsinanan’Ankilimalinike, samy distrika Toliara II no misy ny toeram-pitrandrahan’ny Base Toliara. Efa hatramin’ny taona 2000 ny fanomanana ity tetikasa ity, ary maro ny asa sosialy efa nomena ny mponina. Nilaza Ra­manoel, fa mampalahelo ny nampihantonana ity orinasa ity. Nitondra fampandrosoana isam-pokontany […]

NuRAN Wirless sy Orange : hametraka tambajotra vaovao

Mifanaraka amin’ny politika nofaritan’ny fanjakana ny fiaraha-miasa nosoniavina omaly, teo amin’ny NuRAN Wireless, orinasa kanadianina sy ny Orange Madagascar. Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hanitatra ny tambajotra any ambanivohitra, ka tanàna 500 no hisy fifandraisana mahakasika mponina 1 tapitrisa mahery. NuRAN Wireless, orinasa hametraka fitaovam-pifandraisana amin’ireo toerana ireo hatramin’ny 2025, […]

Hanokafana ny Base Toliara: mitaky ny zony amin’ny fampan­dro­soana ny kaominina Tsianisiha

Manodidina ny 25.000 ny mponina any amin’ny kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II, ahitana fokontany 18. Mangetaheta fampandrosoana izy ireo, saingy manjaka ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa. Ratsy ny vokatry ny fambolena vokatry ny tsy fahampian’ny rano, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Jummerman antsoina hoe « Dada ». Nahavonjy ny […]