Toe-karena

Fampandrosoana ifotony: hanangana fikambanana ny fokontany any Toliara II

Hivondrona anaty fikambanana ny sefo fokontany any amin’ny kaominina efatra ao anatin’ny distrika Toliara II. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, iatrehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ary indrindra ny hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena mba hisian’ny asa ho an’ny mponina. Nanao fivoriambe ny lehiben’ny fokontany sy ny lefiny, miisa 70 ao amin’ny […]

Mahazoarivo-Antsirabe: nanampy ny sahirana ao amin-dry Masera ny GMMAR

Tany Mahazoarivo Antsirabe ny GMMAR, notarihin’ny filohany, omaly. Notoloran’ ny fikambanana fanampiana ireo sahirana ao amin-dry Masera tamin’ny alalan’ny fanohanan-dRamatao Randrianarisoa Riana Raymonde. Manoloana ny fiatrehana ny maitsoahitra, tsy nanadino ireo mpiray tanindrazana, mila fanampiana, ny fikambanana Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoelina na ny GMMAR. Nanolotra vary ho […]

Fandraharahana eto an-toerana : mirona any amin’ny « e-commerce » ny karazam-barotra

Fandraharahana no be mpisafidy amin’ny asa atao amin’izao fotoana. Saingy mila fantarina mialoha ny sehatra hidirana. Raha tamin’ny taon-dasa, ireto no sehatra hita hisafidianan’ny maro mampidi-bola haingana. Satria mivoatra hatrany ny teknolojia, betsaka ny mirona any amin’ny «e-commer­ce» ha­nolorana karazam-barotra maro. Ireo kojakoja fampiasa andavanandro, fitafiana, kiraro, hatramin’ny fiarakodia misy […]

Novidiana taty Madagasikara : trondro 3,5 t tratra tatsy Mayotte

Namoaka fampahalalam-baovao ny prefektioran’i Mayotte, ny 17 janoary teo. Nambarany fa nisy hetsika nataon’ny tompon’andraikitra mikasika ny jono sy ny fari-dranomasina any an-toerana, nahitana sampandraharaha maromaro, ny zoma 13 janoary 2023 lasa teo. Nisy sambo nitondra hazandrano, manana laharana any Mayotte, nosavain’ny vondrona mpanara-maso ny morontsiraka (ULAM). Tsikaritra fa tsy […]