Nanangana fikambanana ny mponina any Besakoa sy Ambohitsabo, hiarovan’izy ireo ny tombontsoany, mba hihainoana ny feony sady hitakiana ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara. Doroky Lovasoa Michael, Fikambanana Vezo Tea Longo (Fivetelo, fikambanana miaro ny tombontsoan’ny mpanjono) Hamidy any an-tanàn-dehibe ny hazandrano azonay, na koa hohaninay, fa hafa mihitsy raha misy […]
Toe-karena
Mponina manamorona morontsiraka any Toliara : « Hany vahaolana amin’ny tsy fisian’asa ny fisokafan’ny Base Toliara »
Miray feo ny sefo fokontany, ny olobe, ny mpanjono, ny olon-tsotra, indrindra ireo monina manamorona ny morontsiraka, ao anatin’ny distrika Toliara I, mitaky ny hanokafana ny orinasa Base Toliara. Ambaran’izy ireo fa izay ihany no hany lala-tokana ho tombontsoan’ny faritra Atsimo Andrefana. Maro ireo sefo fokontany ao anatin’ny distrika Toliara […]
Jirama : Kojakojaina ny jiro sy ny rano
Nanomboka, omaly alahady, ny ekipan’ny Jirama no nanolo ireo fitaovana bakoly « isolateurs », mitazona ny taribin-jiro, mampita ny herinaratra avy eny Ambohimanambola mankany Antsirabe ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Hanatsara ny tambajotra mpitsinjara herinaratra izany, hampihenana ny fahatapatapahan-jiro amin’iny zotra iny. Ankoatra izany, mandeha koa ny fanadiovana ny rano ao amin’ny […]
Fambolen-kazo 2023 : velaran-tany 100 ha hatao anaty andro iray
Hatao ny 19 janoary ho avy izao any Seranandavitra, kaominina Ilaka-Est, distrika Vatomandry, ny taona fambolen-kazo 2023 eto Madagasikara. Lohahevitra raisina ny hoe «Izay mamboly hazo mamelon’ aina, izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara». Koa, tanjona ny hambolen-kazo ao anatin’ny velaran-tany 100 ha. Hampiasana fitaovana manaraka ny teknolojia «drône» mandritra […]
Ampanihy : sarotra hita izao ny osy « Angora »
Am-polo taona maro izao tsy ampy akora fototra hanaovana « tapis mohair » intsony, izay nampalaza azy tamin’ny taona 80 sy 90, ny any Ampanihy. Velon-taraina, noho izany, ireo mpanao asa tanana any an-toerana, ny antony miha tsy hita ny karazan’osy « Angora » fiompy hahazoana volony, izay lasa akora fototra lafo vidy ankehitriny. Maro […]




