Nisantarana ny fanapariahana ny vary Tsinjo ny eto an-dRenivohitra, hitsinjovana ny maitsoahitra ary hahazo koa ny faritra hafa, raha ny filazan’ny minisiteran’ny Varotra. Mitobaka kosa ny vary eto an-toerana any Bongolava sy Atsimo Atsinanana. Milanja 60 taonina ny vary Tsinjo naparitaka any amin’ny fokontany miisa 54 ato anatin’ny kaominina Antananarivo […]
Toe-karena
Mitotongana ny Ariary : manakaiky ny 5.000 Ar ny 1 euro
Mihazakazaka ny fitotongan’ny sandambola Ariary. Kely sisa dia hisanda 5.000 Ar ny euro iray, izay tsy mbola nisy mihitsy hatramin’izay. Omaly 10 janoary tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, nahatratra 4.820 Ar ny sandan’ny 1 euro, ary 4.502 Ar ny 1 dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). […]
Hatramin’ny taona 2000 : olana hatrany ny famatsiana herinaratra
Tany amin’ny 10 taona lasa, efa nisy ny fiaraha-nidinika tamin’ny Vondrona eoropeanina momba ny famatsiana angovo eto Madagasikara. Votoatin’ny dinika tamin’izany ny fandrafetana politika vaovao momba ny angovo, izay efa nahitana lesoka tamin’ny fiandohan’ny taona 2000. Niarahan’ny Vondrona eoropeanina sy i Madagasikara nandrafitra ny politika, izay tokony hifanaraka amin’ny filàna […]
Fizahantany : mihantsona ao Toamasina ny sambo “M/V Nippon Marru”
Tonga omaly tamin’ny 9 ora maraina miantsona ao Toamasina mandritra ny telo andro ny sambo japoney “M/V Nippon Marru”. Sambo lehibe mitondra mpizahatany japoney miisa 259 sy mpiasa 194, misahana ny fampandehanana ny sambo sy mikarakara ireo mpandeha. Mampiavaka ity kaompania iray ity dia ny tsy faneken’ny kaomandin’ny sambo ny […]
Mitohy ny fidangan’ny vidin-tsakafo: tafakatra 5.000 Ar ny kilaon’ny siramamy, 18.000 Ar ny kilaon’ny hena
Miantraika any amin’ny fiainana andavanandro ny halafosan’ny vidin-javatra. Ankoatra ny vidim-bary, misondrotra koa ny vidin’ny siramamy, ny hena, ny lafarinina ankehitriny. Vao mainka midangana ny vidin-javatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny sakafo amin’izao fiandohan’ny taona 2023 izao. Raha efa mihoatra ny 3.000 Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, mananontanona ny […]




