Nitaraina ny mponina eny Ambohimanga sy ny manodidina amin’ny halafon’ny vidim-bary amin’izao fotoan’ny maitsoahitra izao. Araka ny toromariky ny filoha Rajoelina, namaly izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana sy ny mpanolotsaina manokan’ny filoha, ny Jly Ravalomanana Richard, nanome fanampiana ny 2 avrily teo. Notolorana vary 20 gony tsirairay avy ny […]
Toe-karena
Tetikasa Filamatra : nahafa-po ny zava-bita teny amin’ny kaominina Tsiafahy
Tapitra tamin’ity taona ity ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ny fikambanana Cemes, tany amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Miisa 274 ny mpisitraka nahatojo hatramin’ny farany, niofana ara-teknika ny lafiny fambolena, ny fambolen-kazo, ny fiarovana ny tontolo iainana, sns. Nahafa-po ny vokatra azo, na misy aza ny lesoka mila harenina. Tanjon’ny tetikasa Filamatra, […]
Tontolo iainana : nohavaozin’Ambatovy ny PGES
Natao sonia, ny 31 marsa teo, ny Drafi-pitantanana ara-tontolo iainana manokana (PGES)* nohavaozin’ny orinasa Ambatovy. Nanatanteraka izany, ny filohan’Ambatovy sy ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE), Rakotoson Rija. Voafaritr’ity drafi-pitantanana vaovao ity ny fe-potoana 2023 hatramin’ny 2027. Voakasik’izany ny fitrandrahana any Ambatovy Moramanga, ny fantsombe mitatitra ny […]
Varotra anatiny : ferana ny lalan’ny fitsinjarana voka-bary eto an-toerana
Nandray fepetra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, afakomaly. Mba hijerena vahaolana sy lalantsaina manoloana ny vidim-bary amin’ny fotoan’ny maitsoahitra sy fahavaratra. Voalohany, ferana ny lalan’ny fitsinjarana ny voka-bary eny Imerintsiatosika mankaty Antananarivo. Eo koa ny hijerena ny fitsinjarana izany, miainga avy eny amin’ny tantsaha […]
CT Motors : miavaka ny Kawasaki ZX10
Miakatra hatrany ny lentan’ny kalitao eo amin’ny tontolon’ny kodiaran-droa ho an’ny orinasa CT Motors. Nampahafantarin’izy ireo ny marika Kawasaki ZX 10 tetsy Andraharo, ny sabotsy 1 avrily teo. Anisan’ny hiaka farany ity karazana moto ity. Manana tanjaka hatramin’ny 203 Ch. “Mahafa-po mihoatra ireo Kawasaki nivoaka tany aloha ity ZX 10 […]





