Toe-karena

Faritra Atsinanana: maro ny zava-bita ho an’ny fampandrosoana

Amin’ny alalan’ny asa vita no hitsarana ny fandrosoan’ny faritra iray. Ho an’ny faritra Atsinanana, tena nifantohana ny any amin’ny kaominina ambanivohitra, notetezin’ny governora Rafidison Richard Théodore sy ny mpiara-miasa aminy. Mikasika ny lalana, saika nisitraka ny ampahany tamin’ny asa avokoa ny tao anatin’ny distrika fito hita ao amin’ny faritra Atsinanana. […]

Tetikasa Papriz : hizarana zezika ny mpamboly

Manohana ny tetikasa Pap­riz ny orinasa Ambatovy, anisan’ny ahitana renivola ja­po­ney Sumitomo. Hisy ny fi­zara­na zezika ny tantsaha mpamboly, ao anatin’ny tetikasa ja­poney Papriz, hiatrehana ny taom-pambolena 2022-2023. Tanteraka izany, taorian’ny fifampiraharahana teo amin’ny filoha Rajoelina sy ny tale je­neralin’ny Sumitomo Cor­po­ration, nandritra ny fi­haonam­be Ticad faha-8 tany Tonizia. Tanjona […]

Hiverina tsy ho ela ny zotra FCE : tonga ao Fianarantsoa ny lohamasinina

Eo am-panarenana ny zotra an-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa mankany Manakara. Nosoloina ny komity mpitantana ary efa tonga any Fianarantsoa ny lohamasinina nalefan’ny orinasa Madarail. Mandeha ny fanarenana ny zotra an-dalamby FCE. No­foanan’ny fi­lankevitry ny mi­nisitra, ny alarobia 4 janoary teo, ny Komity mpitantana teo aloha. Hamoa­ka didim-pitondrana kosa ny […]