Toe-karena

Taninketsa indostrialy : hanodina tantely koa ny ao Alakamisy Fenoarivo

Tontosa ny 28 marsa 2023 ny fametrahana ny orinasa mpanodina tantely ao amin’ny kaominina Alakamisy Fe­noarivo, distrika Atsimon­dra­no, ao anatin’ilay tetikasam-panjakana momba ny fananganana indostria iray isaky ny distrika na ny ODOF*. Niara-nientana tamin’ny minisitera misahana ny indostria sy ny Fivmpama (Fivon­dronan’ny mpandraharaha ma­lagasy) ny kaominina Ala­kamisy Fenoarivo amin’ny fametrahana […]

Manjaka ny asan-jiolahy any Toamasina : mety hiaka-bidy ny zavatra ilaina andavanandro PPN

Mifamahofaho ny lafiny famatsiana entana eto Toamasina. Mitaky ny hahalalana ny marina momba ny famonoana ilay teratany indianina ny mpandraharaha namany. Mety hisy ny ankivy hataon’izy ireo, tsy hahatongavan’ny entana ilaina andavanandro PPN. Mirongatra ny asan-jiolahy eto Toama­sina. Manaitra ny fanjakana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mpandraharaha karana, hijery haingana […]

Bebe Marie Margueritte – Fibodoana tany : natolotry ny minisitera azy ny titra maha tompon’ny tany

Natolotra an’i Bebe Marie Margueritte, omaly, ny “titre” manaporofo fa azy ny taniny. Nanatitra izany teny amin’ny trano fonenany eny Ambohipo Tanàna ny minisitry ny Fana­jariana ny tany sy ny fananan-tany. “Tsy maintsy mitazona ny teny nomeny ny minisitera amin’ny fanampiana an’i Bebe Marie Margueritte”, hoy ny minisitry ny Fanajariana […]

Ankadimbahoaka sy By-pass : mbola tapaka ny lalana

Mbola tapaka ny lalana mampitohy ny rond-point Ankadimbahoaka sy ny rond-point By pass, raha ny fanambarana navoakan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa mbola mitohy ny asa fanamboaran-dalana eny an-toerana no anton’izany. Marihina fa efa eo am-pamaranana ny asa ny orinasa ankehitriny. Hiverina hi­sokatra amin’ity herinandro ity io ampahan-dalana […]