Toe-karena

Fahasimban’ny tontolo iainana : tafiditra anatin’ny faritra mena i Madagasikara

Tafiditra anatin’ny faritra mena amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasi­kara, raha ny tatitra navoa­kan’ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN) tamin’ny 2020. Mahatratra 15000 isan-taona ireo zava-mananaina ahina ho lany tamingana eto Madaga­sikara nanomboka ny taona 2022. Nankalazaina omaly tetsy amin’ny Lycée Moderne Am­pefiloha ny hetsika iraisam-pirenena […]

Ambatovy : sahona 1800 eny amin’ny tontolo voajanahary

Sahona « Mantella aurantiaca » izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara 1 800 ma­hery no naverina eny amin’ny tontolo voajanahary nandritra ny taona 2022. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’Ambatovy, ho fiarovana sy fampitomboana ta­ranaka ity karazana sahona ity. Voasokajin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho fitandrovana ny voahary (UICN)* ho anisan’ireo biby tandindonin-doza […]

Fisondrotry ny toekarena malagasy: noho ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ihany

Mandalo fotoan-tsarotra ny toekarena malagasy, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena farany tamin’ny 24 marsa 2023. Marefo ny toekarena amin’ny ankapobeny, ary voasokajy anisan’ny firenena mahantra indrindra i Madagasikara. Nisy 5,7 % ny fisondrotry ny harinkarena ta­min’ny 2021 na teo aza ny Covid-19 sy noho ny fiovan’ny toetr’andro ary ny […]

FMFP : namoaka olona 30 mpanao asa tanana

Ho fanomezana lanja ny asa tanana malagasy, namoaka olona miisa 30, ny ministeran’ny Asa tanana sy ny haitao, omaly. Hetsika niarahana tamin’ny sehatra tsy miankina FMFP. Nanomboka ny 13 fe­broary hatramin’ny 24 marsa 2023 teo ny fiofanana. Nilaza ny tale jeneralin’ny Serasera ao amin’ny minisiteran’ny Asa Tanana, Rabetsialonina Mous­tane, fa […]

Atsimo Atsinanana : sahirana ireo mpiompy tantely

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy teo, tany Atsimo Atsinanana, mikorontana koa ny fiompiana tantely. Arahi-maso ny tranon-tantely raha mbola mamokatra tsara, indrindra ny karazana Mel­lifera Unicolor, izay tsy misy afa-tsy eto amin’ny Nosy. Mi­savorovoro taorian’ny rivodoza ny andro iainan’ireo tantely ireo. Nahitana fiantraikany in­drindra ny tranony, tsy afaka mivoaka ireo tantely […]