Toe-karena

Jono tafahoatra : tandindonin-doza ny trondro lamatra

Manaitra ny Vondrona eo­ropeanina (UE) sy ny governemanta malagasy ny Fi­kam­banana tsy miankina amin’ny fanjakana, ONG, ao anatin’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Miahiahy mafy izy ireo, satria « tsy misy mihitsy ny ezaka atao hampiatoana ny fanjonoana mihoampampana ny lamatra sy ny karazan-trondro mitovy aminy aty amin’ny Ranomasimbe In­diana (OI). Miantraika any amin’ny […]

Harena an-kibon’ny tany : fiaraha-miasa amin’i Kanada sy Iran

Nandray diplaomaty roa misesy ny minisitry ny Ha­rena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika, Rakoto­ma­lala Herindrainy Olivier, oma­ly. Voalohany, ny masoivoho vaovaon’i Kanada, Christo­pher Cooter, monina atsy Afri­ka Atsimo. Manana ny toerany amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ma­neran-tany i Kanada. Noma­rihin’ity masoivoho ity fa tonga eto amintsika ny tenany, […]

« SOS Vanille » : afa-po tamin’ny dinika niarahana tamin’ny fanjakana

Nivaha ihany ny olan’ny lavanila rehefa avy nihaona tamin’ny « SOS Vanille » ny iraka nalefan’ny governemanta tany Sambava, tamin’ny 23 marsa teo. Afa-po tamin’ny dinika niarahana ny « SOS Vanille ». Afa-po tamin’ny dinika niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny mpandraharahan’ny lavanila tany Sambava. Nanome toky aloha ny « SOS Vanille » fa tsy […]

Minisitera MMRS : nanome ra maimaim-poana ny mpiasa

« Manome ra, manome aina ». Ankoatra ny maha mpisehatra amin’ny toekarena azy, manana adidy amin’ny lafiny sosialy koa ny ao amin’ny minisiteran’ny Harena an- kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MM RS). Nanatanteraka fanomezan-dra maimaim-poana teny amin’ny Amphithéâtre Ampan­drianomby ny fianakaviamben’izy ireo, omaly. He­tsika niarahana tamin’ny foibe famindrana ra eo amin’ny mi­nisiteran’ny […]