Toe-karena

Campus ao Barikadimy : hanomboka anio ny fanamboarana

Ny 22 desambra lasa teo ny fanambarana  avy tamin’ny  “service des œuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Bari­kadimy, Toamasina fa tokony hiala ny trano misy azy ireo mpianatra rehetra tsy ankanavaka fa hisy fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa toy ny trano fonenana misy fahasimbana noho ny fahanterana sy vokatry ny fandorana nataon’ny mpianatra mitokona. […]

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: mitokona ny sendikan’ny mpiasan’ny DRH

Hitokona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana ny fikirakirana ny lafiny maha olona (DRH), eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mankasitraka ny fanalana ny taleny izy ireo. Nanomboka omaly, mitokona mandritry ny fo­toana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana misahana ny fikirakirana ny lafiny maha olona […]

Fetin’ny taom-baovao : vola 150 000 Ar mahery no lanin’ny tokantrano iray

Tapitra ny fetin’ny taom-baovao, maro ireo olona hita teny amin’ny toerana fitsangatsanganana, toy ny eny Analakely sy Antaninarenina. Araka ny fanadihadiana na­tao, ny 1 janoary lasa teo, nahatratra 150 000 ar mahery teo no lanin’ny fianakaviana iray nanaovana fety. Ireo tanora lahy sy vavy no saika hita nameno ny toeram-pivarotana. […]

Faritra Diana: mikatona ny jono Orita

Nanatanteraka ny fidinana ifotony, tany amin’ny fokontany Antanambao, Diana, ny 29 desambra lasa teo ny komity mpanara-maso, “Comité d’Orientation et Suivi” (COS). Araka izany, nisy ny tatitra vitsivitsy natao, ka nilazan’izy ireo tamin’ny mponina fa mikatona ny jono Orita, manomboka ny 1 janoary hatramin’ny 22 martsa 2023. Ary hiverina hikatona […]

Fanondranana jirofo : mitana ny lohalaharana i Madagasikara

Misahana ny 27%-n’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanondranana ny vokatra jirofo i Madagasikara, araka ny tatitry ny «Economic Development Board of Ma­dagascar» na ny (EDBM). Io tarehimarika io izay mametraka azy ho lohalarana amin’ireo firenena maneran-tany amin’ity seha-pihariana ity. Ho an’ny taona 2022, nampiditra hatramin’ny 224,7 tapitrisa dolara io vokatra io. […]