Toe-karena

Karazana fihariana: mety sahanin’ny mpianakavy ny fiompiana ombivavy

Fihariana nandresen-dahatra ny olona ireo karazana fiompiana, nentina namoahana vokatra tamin’ ireo mpitsidika teny amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny herinandro lasa teo. Karazany maro ny seha-pihariana mahakasika ny fiompiana, mety atao amin’ny faritra rehetra. Teny Mahamasina, ta­min’ny herinandro lasa teo, ny fihariana iray ivondronan’ny mpianakavy misy 22. Iarahan’izy ireo misalahy ny […]

Tsiazompaniry: nandrotsahana zana- trondro miisa 5.000

Natao, ny 10 desambra teo, ny fandrotsahana zana-trondro miisa 5.000, ao amin’ ny farihin’i Tsiazompaniry, distrika Andramasina. Fanin­droany ity hetsika ity, iara­han’ny fitantanana jeneraly ny fitananam-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DGEB sy ny DRPEB) manatontosa. Nanatrika ny fotoana teny Tsiazompaniry ny minisitry ny Jono, Mahatante Paubert sy ireo […]

Olan’ny Jirama: efa mandeha ny andrana amin’ny gropy G4 Andekaleka

Nanomboka ny herinandro lasa teo ny andrana ny gropy fahefatra G4 any Andekaleka, nampifandraisina amin’ny Tambajotra iraisan’Antana­na­rivo (RIA). Taorian’izany, natolotra, omaly, ny fampahafantarana ny fampihodinana ny fitaovana sy ny milina, mi­ainga avy any Andekaleka mankany Ambohimanambola. Manana tanjaka 30 MW ny gropy G4, izay vao napetraka any Andekaleka. Ma­na­na tanjaka […]

Ambatomaro sy ny manodidina: niverina amin’ny ampahany ny rano

Nahazo rano ny ampahan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, manodidina ny banky SG Madagasikara eny Ankadindramamy, nanomboka ny asabotsy 10 desambra tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo. Vahaolana vonjimaika no nataon’ny Jirama, nitarika rano avy any amin’ny faritra manodidina, satria simba ny milina mampiakatra rano (sur presseur) eny Ambatomaro. […]