Nitondra ny vinan’ny fanjakana mikasika ny angovo ho an’ny rehetra ny filoha Rajoelina, nandritra ny loabary an-dasy natao any Addis-Abeba Etiopia. Lohahevitra ny hoe «Fiarovana ny hahazoan’ny rehetra herinaratra», izay fivoriana andiany faha-36, nihaonan’ny filoham-panjakana sy ny lehibe governemanta ao anatin’ny Vondrona Afrikanina, nisokatra omaly 18 febroary. Nilaza ny filoha […]
Toe-karena
Vola vahiny : nahazo aina kely ny Ariary
Miha mahazo aina kely hatrany ny sandam-bola Ariary tato anatin’ny iray volana farany, miohatra amin’ny vola Euro sy ny dolara. Araka ny antontanisan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), nisanda 4.549 Ar ny 1 Euro ny 17 febroary 2023 teo, raha efa 4.700 Ar tamin’ny 17 janoary. Nidina ho 4.288 Ar kosa […]
Fivarotam-panafody : nankatoavin’ny HCC ny lalàna vaovao
Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena (HCC), ny 25 janoary teo, fa mifanaraka tsara amin’ny Lalampanorenana ny tolo-dalàna mitondra fanovana ny sata mifehy ny tobim-panafody (Dépôt de médicament). Voakasik’izany ny sata mifehy ny fahasalamana efa nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, momba ny toeran’ny tobim-panafody eken’ny lalàna. Voalaza ao anatin’ny fanovana […]
Tomira Toliara: mpilatsaka an-tsitrapo 200 nanadio lakandrano tany Toliara
Mandray andraikitra amin’ny fanatsarana ny tanànan’i Toliara ny fikambanana Tomira. Nanao asa tanamaro nanadiovana lakandrano izy ireo, notohanan’ny orinasa Base Toliara. Manana tanjona hanatsarana ny tanànan’i Toliara ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Ankoatra ny fidiram-bolany manokana, misy koa ny fiarahana miombon’antoka amin’ny mpisehatra samihafa, ahazoany fitaovana. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Vita […]
Sediem: mamatsy menaka ao Vakinankaratra
Manodina ny soja ho lasa menaka, mamatsy menaka ny faritra Vakinankaratra iray manontolo ny orinasa Sediem ao Betafo, amin’izao fotoana. Nahazo tohana teknika amin’ ny fambolena sy fitehirizana ary fanatsarana ny vokatra soja izy ireo. Mahavita manodina io vokatra io, 4 hatramin’ny 10 T isan’andro ho lasa menaka ny orinasa. […]





