Tsy mety tapitra ny hatezeran’ny mpanjifa sy ny mponina noho ny fahatapahan-jiro, amin’ny tambajotra mamatsy ny any amin’ny tapany an-drefan’Antananarivo, miainga etsy Anosizato. Taorian’ny tany Antanentimboahangy Analavory, ny zoma hariva 25 novambra, nidina an-dalambe koa ny mponina any Moratsiazo avaratr’Ampefy, distrika Soaviandriana, omaly tolakandro. Nobahanan’izy ireo ny lalana, sady nandoro […]
Toe-karena
Fianarantsoa: tsenabem –paritry ny harena an-kibon’ny tany
Natao tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny Tsenabe iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, niarahan’ny faritra Matsiatra Ambony sy Ihorombe, nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny minisitera. Nisy koa ny loabary an-dasy hanatsarana ity sehatra ity. Nampahatsiahivin’ny minisitra Rakotomalala Herinandrainy Olivier, ny paikady, hampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka madinika, nametrahana ny fari-pitrandrahana […]
Tonotolo iainana: niofana momba ny lalàna ireo mpanao gazety
Nanaraka fiofanana tany Ampefy, mikasika ny lalàna mifehy ny tontolo iainana ny mpikambana ao anatin’ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny herinandro lasa teo. Tanjona ny ahalalan’ny mpanao gazety ny lalàna sy ny elanelana eo amin’ny fiarahamonina sy ny lalàna. Nikarakara azy ny Alliance voahary gasy, ao […]
Naneho ny tsy fahafaliana: nidina an-dalambe ny tany Antanetimboahangy
Tsy faly ny mponina sy ny mpanjifa manoloana ity tsy fisian’ny herinaratra any amin’ny tapany andrefan’ Antananarivo ity. Nidina an-dalambe ny mponina any Antanetimboahangy, mandalo ny lalam-pirenena voalohany (RN 1), kaominina Analavory, distrika Miarinarivo, ny zoma 25 novambra teo. Ny fiafaran’ny tolakandro, manodidina ny tamin’ny 5 ora sy sasany teo […]
FMFP sy QMM : manome fiofanana ireo tanora marobe tsy an’asa
Miara-miasa ny FMFP* sy ny Rio Tinto QMM any Taolagnaro manofana tanora any amin’ny faritra Anosy hanana fahaiza-manao sy ho matihanina hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra. Kaominina sivy (09) no hiasana miaraka, nampahafantarana ny tetikasa azon’ny tanora 300 trandrahina. Nidina tany an-toerana ny tale jeneralin’ny FMFP, Raoelina Andriambololona Pierre […]




