Toe-karena

Andrefan’Antananarivo: niresaka ny jiro tapaka ny Jirama

Tapaka efa ho herinandro mahery ny tambajotra, miainga eo Anosizato hatrany So­vi­nan­driana. Nidina nitety ireo toerana tsy mbola mahazo herinaratra ny ekipan’ny Ji­ra­ma, notarihin’ny tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra, Randrianarisoa Désiré Marcel, omaly, alahady 27 novambra. Nohazavaina ta­min’ny mponina ny antony teknika nahatonga ny voina, ny fizotry ny fanarenana […]

Jirama : Tale 14 nafindra toerana

Fantatra fa miisa 14 ny tale ao anivon’ny Jirama na­findra toerana taorian’ny tomban’ezaka natao amin’izy ireo, nandritra ny 10 andro, nandritra ny fihaonan’ny filankevi-pintanana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Tsy nisy kosa ny fanazavana mi­kasika ny tale jeneraly, fa voalaza fa anisan’ny tombanana koa ny zava-bitany. Voalaza koa fa hisy ny […]

Filohan’ny Saps*: « Tsy maintsy atao ny fifampiresahana »

Notontosaina ny 18 oktobra 2022 ny fifidianana ny birao vaovao hitarika ny Sendika iraisan’ny mpiasa ao amin’ny statistika na Saps. Natao omaly teny amin’ny Instat eo Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha, Ratovoniony Njara sy vaovao, Randriam­be­lomahenina Noahery Ta­hiana. Nambaran’ny filoha teo aloha fa be ny vita nandritra […]