Anisan’ny harena voajanahary iray be mpitady any ivelany ny tsiperifery na ny dipoavradia misy rambony, tsy hita raha tsy eto Madagasikara, ka nanao fikarohana hanatsarana azy io ny Fofifa. Nampianatra ny fomba fambolena, indrindra ny fomba fitangosana azy, tsy hanimba ny voly sy tsy hanapahana vatan-kazo handadizany. Fomba taloha mantsy […]
Toe-karena
Taolagnaro: maneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa ny QMM
Fiandrasan-draharaha (service minimum) izao ny ataon’ny QMM any Taolagnaro. Fepetra noraisina ho fiarovana ny ain’ireo mpiasa sy mpiara-miombon’antoka aminy ao amin’ny toeram-pitrandrahana any Mandena. Tsy maintsy noraisina izany fepetra fiandrasan-draharaha izany taorian’ny fametrahan’ny andian’olona sakana amin’ny làlana mihazo ny toeram-pitrandrahan’ny QMM any Mandena ka tsy ahafahana miasa am-pilaminana. Araka izany, […]
Tetikasa PADAP : Paikady hamokarana miaro ny tontolo iainana
Natao entina hampitomboana ny vokatra ara- pambolena, mifandray akaiky amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny Tetikasa ara-pambolena maharitra hametrahana tontolo mirindra (Padap). Mitantana azy ny minisiteran’ ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), fa manana andraikitra feno koa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny ao […]
Tsenabe ara-toekarena: homena lanja ny fandraharahana amin’ny sehatra samihafa
Nanomboka, omaly, 1 hatramin’ny asabotsy 3 desambra 2022 izao ny Tsenabe ara-toekarena eto Toamasina, atao etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena. Lohahevitra noraisina ny hoe : « tohanantsika ny fandraharahana ao anatin’ny fifanomezan-tanana, hahazoana vokatra hampandrosoana ny faritra ». Miisa 250 ny tranoheva ho an’ny mpandray anjara, ahitana ny orinasa vaventy sy salantsalany, madinika. Eo […]
CSI-Pnud: hiadiana ny kolikoly
Nampahafantarina omaly ny SIIGAC*, fitaovana iray eo anivon’ny CSI* hoentina hiadiana amin’ny kolikoly, izay misokatra ho an’ny rehetra. Tamin’ny tomban’ezaka nataony ny CSI nampian’ny Pnud ao anatin’ny tetikasa Madagasikara tsara tantana nametraka tambajotra ifanakalozam-baovao, dia ny SIIGAC. Tanjona ny hisian’ny mangarahara sy tamberin’andraikitra hananana fomba fijery mahitsy hiadiana amin’ny kolikoly […]




