Nihaona tamin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha, ny mpandraharaha avy any Emirats Arabo Mitambatra (EAU), Emmar Mohamed Al Abbar. Nilaza ny Filoham-pirenena fa fanta-daza maneran-tany amin’ny fandraharahana izy, indrindra ny lafiny fizahantany sy zavatra hafa maro. Maro ny fampiasam-bola nataony maneran-tany, toy ny nanovana an’i Dubai. Koa, voninahitra ho […]
Toe-karena
Fisitrahana herinaratra : mitaky famatsiam-bola hatrany amin’ny 7 miliara dolara
Mitentina hatrany amin’ny 7,3 miliara dolara ny famatsiam-bola ilain’i Madagasikara hampakarana ny tahan’ny fisitrahana herinatra ho an’ny vahoaka. Vina ny hampakarana izany ho 70% hatramin’ny taona 2030. Mahatratra hatrany amin’ny 7,3 miliara dolara ny fampiasam-bola ilain’i Madagasikara hahafahana mamatsy herinaratra ho an’ny vahoaka malagasy. Vina ho an’ny taona 2030 ny […]
vidin-tsolika: mitaky fepetra maro
« Maro ireo teboka lehibe tsy maintsy apetraka mialoha ny fampiakarana ny vidin-tsolika, toy ny lafiny ara-tsosialy, ny toekarena ary ny zava-misy amin’ny ankapobeny », hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, omaly, nandritra ny dinika niarahana tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, teny Alarobia. Fizotra ara-teknika, hoy izy, no natao ny […]
Rano: mahatratra 748 m3 ny voazara, omaly
Mamoaka ny tahan’ny fahafenoan’ny siniben-drano eto Antananarivo ny Foibe mitantana ny rano (COR), isaky ny amin’ny 6 ora maraina, amin’ny 12 ora atoandro ary amin’ny 6 ora hariva. Nahatratra 748 m3 ny hadirin’ny rano notsinjarain’ny fiarabe miisa 21, tamin’ny siniben-drano 51, omaly. Nisy tamin’ireo nofenoina indroa na intelo nandritra ny […]
« Rond point » Ampasika: ho vita amin’ity herinandro ity ny lalana
Mitohy ny fanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Miasa andro sy alina ny orinasa manatanteraka azy ireny. Hovitaina amin’ity herinandro ity ny eny amin’ny fihodinana « rond point » Ampasika, mankany Itaosy. Anisan’ny efa vitan’ny orinasa Magic, ny alahady alina teo, ny mifanandrify amin’ny hotely Etoile Rouge, mitohy eny amin’ny fivarotan-tsolika Jovena. Nijery […]