Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy sy sabotsy lasa teo, ny sampan’ny Vovonana Rali, ivondronan’ny tantsaha ao amin’ny Faritra Diana sy Sava. Nitarika izany tany an-toerana ny filoha mpanorina, Ralaimahary Linot sy ny vadiny Rakotoniaina Ando. Nanotrona azy ireo ny ekipa mpanorina isam-paritra, izay ahitana ny mpiantsehatra rehetra amin’ny seha-pihariana […]
Toe-karena
Depiote Befeno Hiacynthe: « Tsy mandoa hetra ny 95% ny orinasa »
Naneho hevitra ny solombavambahoaka voafidy tany Antsohihy, i Befeno Hiacynthe Todimanana, manoloana ny tontolon’ny hetra eto Madagasikara. Nohitsiny fa : « maro ireo mpandraharaha sy orinasa ara-dalàna eo amin’ny sehatra tsy miankina no mitaraina. Mizaka irery ny vesatra ara-ketra izy ireo sady mitombo isan-taona izany. Tsy mandoa hetra ary tsy voasoratra ara-dalàna […]
Alaotra Mangoro: hampiakarina ho 4 t/ha ny voka-bary
Aman’alina ny tantsaha nisitraka tohana avy amin’ny fanjakana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Riz Plus », hampiakarana ny voka-bary ny hetsika. Nankalazaina tany amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, ny 22 mey, ny santa-bary, ara-pomba betsimisaraka sy bezanozano. Nitarika ny fotoana, amin’ny fanohanana ny tantsaha, ny minisitra Ramindo […]
Banky iraisam-pirenena : Hanohana ny sehatra tsy miankina
Hanome lanja ny fahaleovantena ara-toekarena ho an’ny vehivavy ny tetikasa Eager. Manohana izany ny Banky iraisam-pirenena, iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Indostria. Vonona hanolo-tanana ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) ny Banky iraisam-pirenena, ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny dinika nataon’ny minisitra Raharimanjato Ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita avokoa ny 98% ny tohodrano ao Farafaty Toamasina. Efa mamokatra rano 22 000 m3 ao an-toerana ny fototradrafitrasa taorian’ny fahasimbany, ny volana novambra 2025. Miakatra tsikelikely amin’izao ny fisitrahana rano ao Toamasina, taorian’ny fahavitan’ny asa. Afaka hivezivezena ihany koa ny tohodrano mba hahafahan’ny mponina mitatitra ny vokatra ho an’ny fampandrosoan’ny […]





