Toe-karena

Andekaleka: ringana ny ala vokatry ny fanaovana tavy

Mahitsy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna Andekaleka amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra aty Antananarivo. « Mirongatra ny fanimbana ny doro ala sy ny tavy », hoy izy. Mitranga isan-taona ny tsy fahampian’ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Anisan’ny mamatsy azy ny tohodranon’Andekaleka, ahitana gropy miisa 4, mamokatra herinaratra. Tsy afaka mihodina araka ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hovitaina amin’ity herinandro ity ny lalana eny Ampasika, eo amin’ny fihodinana (rond –point), mankany Itaosy. Efa natao omaly alina, ny eo amin’ny hotely Etoile rouge, mialoha ny hikisahana eo amin’ny fivarotan-tsolika Jovena. Manatanteraka ny asa ny orianasa Magic. Tsiahivina fa efa natao ny eny Bel’air, Ankorondrano Ivandry, Ambodin’Isotry, sns. Manodidina […]

Ambohimanambola : ho vita mialoha ny maintany 2025 ny toby 105 MW

Tafiditra ao anatin’ny vahaolana hiatrehana ny tsy fahampian’ny herinaratra ny fananganana toby mpamokatra fanampiny eny Ambohi­manambola, manana tanjaka 105 MW. Nijery ifotony ny fizotry ny asa fananganana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, ny 11 oktobra teo. Tokony ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2025 ny asa, […]

Olan’ny rano : tafatsangana ny rafitra mpanara-maso

Taorian’ny fanambaran’ny filoham- pirenena, Rajoelina Andry, nijoro ny 9 oktobra teo ny rafitra manokana Vondrona fibaikona sy fanaraha-maso, hamaha ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina, amin’izao vanim-potoan’ny maintany izao. Hita ao anatiny ny avy amin’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana (MEAH), ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy […]

Ankarafantsika : novatsiana fitaovana miaro amin’ny afo ny mpisafo ala

Anisan’ny tena marefo amin’ny doro ala ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Nohamafisina ny fiarovana amin’ny afo sady nampitaovana ny mpisafo ala. Toerana saro-pady amin’ny afo ny any Maha­janga, toy ny Valanja­vaboahary Ankarafantsika. Nanolotra fitaovana sy kojakoja ho an’ny mpisafo ala ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, i Max Andonirina […]