Toe-karena

Trafika harena voajanahary : Lehilahy iray nosamborina teny amin’ny seranan’Ivato

Malagasy iray, anisan’ny atidoha mpikotrika fitrandrahana antsokosoko harena voajanahary no tra-tehaka teny amin’ny seranan’Ivato. Efa ela nokarohina izy ity amin’ny resaka fandikan-dalàna. Anisan’ny mpitarika tambajotran-jiolahy mpitran­draka sy mpanondrana antsokosoko harena voajanahary ity lehilahy ity. Anisan’ izany ny sokatra, ny raharaha fa­motsiam-bola sy kolikoly. Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny […]

Famatsian-jiro : Manana vokatra ambiny, mihoatra ny 20 MW, ny Jirama

Nitondra fanazavana, omaly, ny tomponandraikitry ny Jirama. Ampy tsara ny herinaratra ao amin’ny Tamba­jotra iraisan’Antananarivo (RIA). Manana vokatra ambiny mihoatra ny 20 MW ny orinasal. Antony hafa no mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra, ankehitriny. Antitra ny fotodrafitrasa toy ny vata mpanova herinaratra, izay mizaka hatramin’ny 150% ny vesatra tokony hoentiny. Vahaolana […]

Trafika: Sokatra 152 tratra teny 67 Ha

Tra-tehaka tao amin’ny tokantrano iray teny 67 Ha ny zana-tsokatra miisa 152, ny alin’ny 30 marsa teo. Natao tanaty valizy roa izy ireo, karazana « Astrochelys radiata », ka azo heverina fa mety kasaina hoentina any ivelany. Olona tsara sitrapo no nampandre ny Polisim-pirenena ao amin’ny kaomisaria 67 Ha, ary niara-niasa tamin’ny […]

Angovo azo avaozina : Hisy fihaonambe hanampiana ny tanora, karakarain’ny FabLab EnR-out

Hanampy an’i Madagasikara hakany amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny fahaiza-manaon’ny tanora. Hisy araka izany ny fihaonambe natokana hampirantiana ny zava-bita sy ny traikefa hanana ary hanamora ny fidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Tombony! Maharitra 2 800 ora isan-taona ny taramasoandro azon’i Madagasikar. Mamokatra 5 ka hatramin’ny 7 […]

VAOVAO TAMBATRA

Hatao eto Antananarivo, ny 2 sy 3 avrily ho avy izao, ny Fihaonambe momba ny otrikarena voajanahary, « Forum capital naturel », andiany fahatelo. Tanjona ny hampidirana ny otrikarena voajanahary amin’ny fanapahan-kevitra ara-toekarena sy ara-bola eto Madagasikara. Mikarakara azy ny tambajotra Nat Cap, eo ambany fiahian’ny minisitera Medd, tohanan’ny AFD, ny GEF […]