Tranga

Vehivavy voaroba 75 tapitrisa Ar: Jiolahy voatifitra teo Ambavahaditokana Itaosy

Maty nandritra ny fifanjevoana tamin’ny zandary teny Ambavahaditokana, Itaosy, ny jiolahy iray. Anisan’ny nandroba fianakaviana sy nandratra vehivavy teny an-toerana izy, ny alin’ny 14 febroary lasa teo. Nifampitadiavana nanomboka ny volana febroary 2025, jiolahy raindahiny maty voatifitry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Loharanombato, kao­minina Ambavahadito­kana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alin’ny talata […]

Kaominina Bemanonga: Ben’ny Tanàna teo aloha hita faty

Namoy ny ainy, hita faty nihantona tamin’ny tady ny ben’ny tanàna teo aloha an’ny kaominina Bemanonga, distrikan’i Morondava, omaly. Hatairana ny an’ny fianakavian’io olom-boafidy teo aloha tao an-toerana io. Tsy nisy aina intsony, nifatotra tamin’ny tady ny tendany ary nihantona. Mangana ny faritry ny tendany izay voagejan’ny tady. Nidina ifotony […]

Voaroba 2 tapitrisa Ar: lehilahy hita faty tsy nisy taova

Norasarasaina antsy, tsy nisy taova, lehilahy mpividy vokatra hita faty tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Tsy hita ny vola 2 tapitrisa nentiny nivoaka ny trano. Nampihorin-koditra! Fatin-dehilahy tsy nisy taova, nahitana faritra voarasarasa antsy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ankazondrano, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsi­roanomandidy, omaly alatsinainy 19 mey, tamin’ny 6 […]

Avaratra Antanimora: ankizivavy 6 taona naolana tany anaty ala

Nisy nibata tao am-pandriana, tao an-tranony, tetsy Avaratra Antanimora ny ankizivavy vao enin-taona mon­ja, afakomaly alina. Hita tany anaty ala teny amin’ny manodidina izy io, omaly ma­raina. Fantatra taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo fa voaolana izy. Tsiahivina, nandeha nitsena ny reniny izay mbola taraiky niasa alina tany ivelan’ny trano ny olon-dehibe […]

Ady lova: lehilahy namono nahafaty ny reniny

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana, ny zoma 16 mey teo, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao Ma­haly, fokontany Anaviavy, kaominina Iamonta, distrikan’i Vondrozo.  Niketriketrika haka ny lova io lehilahy io. Ny reniny izay mbola velon’aina soa aman-tsara no novonoiny. Novelesiny teo amin’ny faritry ny lohany io reniny izay efa […]