Fatin’olona efa simba tanteraka sy tsy nisy nahafantarana azy intsony hitan’ny fokonolona tao anaty rano teny Androndrakely, omaly. Tsy fantatra mazava ny zava-nitranga, antony nitarika ny fahafatesan’io olona io. Nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Nahitana dian’antsy ny fatin’ny tovolahy iray tao Antanifotsy, kaominina Sambava, omaly maraina. Niasa tao […]
Tranga
Bemasoandro Itaosy: Ankizilahy tratra nanolan-jaza
Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny ankizilahy 16 taona nanolan-jaza 11 taona teny amin’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Bemasoandro Itaosy, omaly. Mpaka vilona teny an-toerana ity ankizilahy tratra nanao fihetsika mamoafady ity. Notilitiliany ilay zazavavy vao 11 taona monja izay mponina ao anatin’ny kaominina voakasika. Nampiresahiny sy norebirebeny ka nentiny tamin’ny toerana izay […]
Vondrona Merci Capsat : Fotoana manan-tantara ny 11 oktobra 2025
Nambara tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary,ny fijoroan’ny vondrona Merci Capsat. Fotoana manan-danja sy manan-tantara ny 11 oktobra 2025, daty nidiran’ny miaramila avy ao amin’ny Capsat tamin’ny hetsi-bahoaka nanomboka ny septambra 2025, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Ho fanamarihana io tsingerintaona voalohany io, hisy ny lanonana kasaina hatao eto Antananarivo […]
Voatifitra tetsy Namontana : Lehilahy iray namoy ny ainy, enin-dahy hafa naratra mafy
Poa-basy miisa efatra no nanaitra ny mponina etsy Madera Namontana, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Lehilahy miisa fito no voatifitra. Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo lasibatra, raha naratra mafy ny enina. Nandriaka ny ra tetsy amin’ny fokontany Madera Namontana, afakomaly tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Niezaka namafa […]
Amoronankona : Mpitondra moto namoy ny ainy
Raim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano taorian’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Amoronankona, kaominina Ambohimangakely, omaly maraina. Nitondra moto marika Kymco ity lehilahy ity. Voadonan’ny fiara ka niafara tamin’ny loza tampoka. Nianjera tamin’ny arabe ka lavo tamin’ny tany ity lehilahy mitondra moto ity. Notetezin’ny kodiaran’ilay fiara avy eo ka simba vokatr’io ny lohan’ilay […]





