Tranga

Fianarantsoa: Lehilahy tratra nanolan-jazalahy

Nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP Ankofafa ny lehilahy nanolan-jazalahy 12 taona tao Fianarantsoa, omaly maraina. Nanaovan-drangahy ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Mody nilaza hitady ny renin’io zaza io ity lehilahy nahavanon-doza ity ka niditra ny trano. Ny renim-pianakaviana izay tsy tao an-trano […]

Fiara tapaka hisatra : Mpandeha 4 namoy ny ainy, 34 naratra

Olana tampoka teo amin’ny hisatra, nitarika loza ka namoizan’aina olona efatra, tao Ambalavaokely, PK419+100, afakomaly. Tsy tana ny ain’ny efatra tamin’ireo mpandeha tra-doza tao anatin’ny fiara nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK419+100, tao amin’ny tetezan’Ambalavaokely, distrikan’i Vohibato, afakomaly. «Tsy nahazo tampoka ny hisatra tamin’ilay fiara. Ani­san’ny nitarika ny loza», hoy […]

Vatobe-67 Ha : Lehilahy voatsindrona antsy, namoy ny ainy

Tsy tana ny ain’ny lehilahy iray naratra mafy voatsindrona zava-maranitra teny amin’ny Vatobe-67 Ha, afakomaly. «Nentina teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy rehefa tonga teny an-toerana», hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tompondraikitra miasa eo anivon’ny polisim-pirenena. Nisehoana tranga hafahafa teny 67 Ha ny harivan’ny sabotsy 15 […]

Lehilahy hita faty : Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ar

Nanjavona tao an-trano nahitana ny vatana mangatsikan’ilay lehilahy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampam-pikarohana ny ady heloka be vava, afakomaly. Ahina ho nalain’ny olon-dratsy izay nahavita namono nahafaty an’i Nomenjana­hary Élysio ny vola, raha ny loharanom-baovao. Tsy hita nanomboka ny 10 aogositra […]

Moto nifandona tamin’ny kamiao: Mpianaka niara-namoy ny ainy

Olona efatra matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena roa samy hafa, tao anatin’ny telo andro. Mpianaka nitondra moto tra-doza tao Ilempona, omaly. Nifandona tamin’ny kamiao mpitatitra simenitra, maty tsy tra-drano ireo roa lahy mpianaka nitaingina kodiarandroa teny amin’ny RN7, avaratr’Ilempona, Antanifotsy, omaly tolakandro. Niainga avy any Andramasina izy mianaka no nitaingina […]