Tranga

Notafihin’ny jiolahy : Mpanangona kafe voaroba 3 tapitrisa Ar

Lasan’ny olon-dratsy ny lelavola mitetina 3 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrano iray, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasamadinika, distrikan’i Vatomandry, ny 11 aogositra lasa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-tsokosoko tao amin’ny efitrano nisy ny raim-pianakaviana mivelona amin’ny fanangonana kafe ny jiolahy. Nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy, nanapoaka ny basy ny olon-dratsy […]

67 Ha : Roa lahy voasambotry ny miaramila

Vehivavy iray mpiray tsikombakomba sy mpanendaka roa lahy voasambotry ny miaramila mpanao fisafoana alina teny amin’ny faritry 67 Ha, omaly maraina. Voaroban’ny olon-dratsy ny finday teny amin’ny olona roa, tamin’io andro io. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana niatrana an-kianja. Voasambotra ny roa lahy ahina ho […]

Antananarivo Renivohitra : Lozam-pifamoivoizana 21 tanatin’ny herinandro

Olona iray namoy ny ainy tamin’ireo lozam-pifamoivoizana 21 niseho tao anatin’ny herinandro, teto Antananarivo Renivohitra. Olona 20 naratra. Namoizana ain’olona iray ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto amin’ny tanànan’ Antananarivo, nanomboka ny herinandro ny 10 ka hatramin’ny 16 aogositra lasa teo. Mateti-pitranga ny loza an-dalambe tato ho ato, araka ny tatitra voaray […]

Tandrevaky ny mpamily : Tohivakana ny lozam-piara­kodia eny amin’ny RN 5

Raha fahasimbana fiara sy kojakoja momba ny fiara mpitatitra olona mampiasa ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5) no nalaza teo aloha, noho ny faharatsian’ny fotodrafitra, miova indray izany ankehitriny. Saika lozam-pifamoivoizana, fiara sy moto, izay mitarika faharatrana olona maro vokatry ny fandehanana mafy noho ny fahatsaran’ny lalana ka tsy mahafehy ny […]

Diplaoma bakalorea hosoka : Talen-tsekoly tsy miankina naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Ano­sy ny talen-tsekoly tsy miankina iray, niampy olona efatra mpiray tsikombakomba taminy. Notanana vonjimaika any am-ponja izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy tsy fahatomombanana tsikaritry ny tomponandraikitra miasa eo anivon’ny Oniversite Antana­narivo, ny 5 aogositra lasa teo. Vehivavy nikasa hanao fanamarinana dika mitovy amin’ny […]