Tranga

Lehilahy voatifitra teny Namontana: hanao famotorana lalina ny tomponandraikitra

Taorian’ny resabe sy ny fitakiana ny marina nataon’ny mpanaraka tambajotran-tserasera momba ny faty olona teny Madera Namontana, ny alin’ny alakamisy 1 oktobra lasa teo, nanokatra fanadihadiana ny tomponandraikitra voakasika. Imasoana anatin’ity fanadihadiana ity ny hijerena manokana ny mety ho ni­sian’ny tandrevaka teo amin’ny mpitandro filaminana, ny andraikiny teny an-kianja. « Mba […]

Andranonahoatra Itaosy: teratany karana novonoina tamin’ny sotro rovitra

Hita faty tao an-tranony tetsy Itaosy, ny lehilahy teratany pakistaney iray, ny alahady atoandro teo. Nahitana sotro rovitra niforitra teo akaikin’ny razana. Fitaovana ahina ho namonoana azy. Hita faty tao an-tranony, tetsy Ambohikely, kaominina Andranona­hoatra, ny alahady atoandro teo, i Ali Mubbashar. Lehilahy lehibe (60 taona) izay teratany pakistaney. Tonga […]

Heverina ho nisy namono: Lehilahy iray hita faty nihantona tao anaty hazo

Lehilahy iray antsoina hoe Faustin (44 taona), hita faty nihantona teo amin’ny hazo, tany amin’ny fokontany Amba­tofotsy, kaomina Maevata­nàna, ny sabotsy tamin’ny 11 ora atoandro. Teo akaikin’ny Ikopabe, somary anaty hazo maromaro ny toerana nisy azy. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra vantan-dehilahy iray efa tsy nisy aina […]

Fonjaben’ Ambalatavoahangy: Nandray ny fitantanana ny lehiben’ny fonja

Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin’ny lehiben’ny Fonjan’Ambalatavoahangy teo aloha, Zafilahy Vonjy Ste­phanson, sy ny Éducateur spécialisé d’ adminisitration pénitentiaire vaovao, Ratasontsalama Julien Jimmy Jux. “Telo taona sy 13 andro no nitantanako ny fonjaben’ Ambalata­voahangy ary nandalo fotoan-tsarotra izany, noho ny fahasimban’ny fotodrafitrasa nateraky ny rivodoza Gezani”, hoy ny mpitantana teo […]

Notafihin’ny jiolahy : Mpivady hita faty tao an-tranony tany Manjakandriana

Mpivady hita faty nihoson-dra tao an-tranony, tany Ankazotokana, Manjakandriana, afakomaly. Nahalafo hazo izy ireo saingy efa naterina tany amin’ny havany ny vola. Notafihin’ny jiolahy anefa taorian’izay, ka izao namoy ny ainy izao. Nisy namono tao an-tranony, tany Ankazo­tokana Atsimo, kaominina Ambatomena, distrikan’i Manjakandriana, ny mpivady (80 sy 76 taona). Ny […]