Tranga

Tapa-bolana nokarohina : Vehivavy hita tany Morondava

Naharaisan’ny mpitandro filaminana fampahafantarana avy amin’ny fianakaviany fa very, vehivavy iray hita tany amin’ny torapasika Nosikely, tao Morondava, afakomaly. Nivoaka ny trano fonenany ilay vehivavy, mbola mpianatra eny anivon’ny Oniversite, ny 25 jolay ka tsy niverina intsony. Nitebiteby ny fianakaviany ary nanao ombay mitady. Nametraka fitarainana teny amin’ny polisy. Niroso […]

Trafika zava-mahadomelina : Maorisiana efatra nalefa eny Tsiafahy

Vita ny famotorana ireo Maorisianina, tra-tehaka tsy nanana taratasy tany Sava. Mpanao trafikana zava-mahadomelina karohin’ny Interpol izy ireo. Nalefa eny Tsiafahy avy hatrany. Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ireo Maori­si­ana miisa efatra niditra an-tsokosoko teto Madagasikara, taorian’ny fampanoavana ny faran’ny herinandro teo. «Niditra an-tsokosoko sy tsy nisy taratasy mazava, […]

Ambohitsaratelo Ampitatafika: Nahitana tongotra zazakely efa nohanin’ny alika

Nahita tongotra zazakely, efa simba tanteraka teny amin’ny sakelin-tanànan’Ambo­hi­tsa­ratelo, kaominina Ampi­tatafika, omaly folakandro. Efa nohanin’ny alika izany. Mbola hita teny an-toerana ny akanjo sy ny lamban-jaza. Rehefa natao ny fisavana ny manodidina dia tsy nahita ny ambin’ny vatany intsony. Ireo tongotra roa sisa no tavela teo. Nidina teny ifotony, taorian’ny […]

Anosimasina-Kaominina Bemasoandro : Mpianaka niara-maty, samy voatifitra teo amin’ny lohany

Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny mpianaka, monina eny Anosimasina Itaosy, tamin’ny sabotsy. Tsy misy mipika ny fanadihadiana. Nilaza kosa ny mpitandro filaminana fa miresaka volabe amina miliara, ny taratasy hita teo amin’ny razana. Mpianaka niaraka maty hitan’ny mpitandro filaminana tao amina to­kantrano iray teny Anosima­sina, kaominina Itaosy, afakomaly maraina. […]