Maty nisy namono ny havanay. Misy lavaka ny lohany, tapaka ny tanany sy ny tongony toy ny novonoina fa tsy potipotika toy ny olona voahitsaky ny kamiao izany mihitsy ny razana, hoy ny fianakavian’ny solombavambahoaka Jean jacques Rabenirina, ny sabotsy teo, tetsy Anosy. Herintaona katroka ny nahafatesan’ity solombavambahoakan’i Madagasikara ity. […]
Tranga
Namira antsy ny anabaviny: Lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ny fokonolona azy ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany Ambodivoanjo, Ampangamena, kaominina Mahambo, afakomaly. Nisehoana tsy fifankazahoana teo amin’ity lehilahy ity sy ny anabaviny, araka ny loharanom-baovao. Naka antsy anefa ilay lehilahy ary nofirany avy hatrany ilay mpiray tampo aminy. Tapaka ny tanan’ity vehivavy lasibatra ka […]
Kaominina Nandihizana: Mpianaka maty nilatsaham-baratra
Namoy ny ainy ireo mpianaka nilatsaham-potaka tao amin’ny tanàna an’Andrahavandra, Ambohimiarina, kaominina Anjoma Nandihizana, afakomaly. Tsy tana ny ain’ilay renim-pianakaviana 40 taona, sy ny zanany lahy, 14 taona, niaraka tra-doza tampoka tao amin’ny trano fonenany tao Ambohimiarina, kaominina Anjoma Nandihizana, ny sabotsy 26 septambra lasa teo. Nandritra ny andro ratsy, […]
Natao ombay mitady : Lehilahy hita faty tanaty hantsana
Hita faty tanaty hantsana, tao andrefan’i Mandrosoa, Andramasina, omaly maraina, ny raim-pianakaviana iray nokarohin’ny havany nanomboka ny alarobia lasa teo. Nisy ratra teo amin’ny tavan’ity lehilahy ity. Hita teo akaikiny ny moto fampiasany. Niala avy aty Antananarivo izy ka tsy naharaisan’ny havany vaovao intsony taorian’izay. Nikaroka azy ny fokonolona. Ahin’ ny […]
Toamasina: Jiolahy iray lavon’ny polisy
Jiolahy iray indray no lavon’ny balan’ny polisy tany Toamasina, ny alin’ny 23 septambra 2026 teo. Nahatsikaritra andian’olona nampiahiahy ny mponina tamin’io fotoana io ka nampandre ny mpitandro filaminana. Voalaza fa mitondra zava-maranitra toy ny antsy, teny amin’ny faritra Pavé, Ankirihiry sy Bar Saholy Toamasina ireo andian’olona ireo. Nidina ifotony avy […]





