Telo lahy mpangalatra moto, iray hafa mpividy ary mpanafina saron’ny zandary Soamanandrariny, afakomaly. Tambajotra iray efa nampikolay ry zalahy ireto. Vehivavy iray sy lehilahy efatra mpiray tsikombakomba amin’ny halatra moto tra-tehaky ny zandary miasa ao amin’ny tobi-paritra Soamanandrariny, afakomaly. Nandritra ny fisafoana ny alin’ ny 9 aogositra nataon’ny mpitandro filaminana, […]
Tranga
Nivarina tanaty hantsana: Hita faty ivelan’ny kamiao ilay mpamily
Nivoaka ny arabe, lasa tany amin’ny 80 metatra miala ny lalana ny kamiao iray teny amin’ny RN2, 12 km tsy hidirana an’i Moramanga, afakomaly. «Ahina ho tratrin’ny torimasofotsy ihany io mpamily io raha ny fahitanay ny zava-misy teny an-kianja», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana miasa ao an-toerana, […]
Fanondranana olona any Sina : Efatra mianadahy notanana am-ponja
Nahazoan’ny tambajotra mpanondrana olona mankany Sina vola mitetina 100 tapitrisa Ar tsirairay avy ireo vehivavy lasibatra, araka ny voka-panadihadian’ny polisy eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana Manokana sy ady amin’ny hosoka ary fanondranana olombelona, afakomaly. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo efatra miandahy mpanondran’olona ho […]
Fahafatesana mampiahiahy: Miaramila iray maty voatifitra tao anaty toby
Miaramila iray, avy namita iraka tamin’ny hetsika “Riri 2026” no maty voatifitra tao anaty toby, omaly. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany sy teo amin’ny sandriny havia izy. Miaramila telo lahy nahitana porofo mampiahiahy. . Nipoaka tampoka ny basy tao amin’ny toby miaramila « Bataillon Infanterie Ihosy», omaly maraina tamin’ny 3 […]
Nahatrarana bala 13 isa: Jiolahy raindahiny maty voatifitra
Lavon’ny tifitra nataon’ny polisy ny jiolahy raindahiny ikoizana amin’ny asa fangalarana sy fanafihana tao Ambositra, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny, nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana izy. Nizotra avy amin’ny lalana mihazo amin’ny tsenan’omby tao amin’ny fokontany Ankazotokana ilay jiolahy. Taorian’ ny nahitana ny fihetsika hafahafaha nataon’ity farany. Nampitsahatra […]




