Tranga

Folo andro notadiavina: Frantsay iray hita faty

Hita omaly, tao anaty rano anaty lava-bato Anjamba, ao amin’ny fokontany Ankidranoke, kaominina Befandefa, distrika Morombe, ny teratany frantsay iray 72 taona, afakomaly. Niditra irery tao amin’io toerana io izy, ny 18 septambra lasa teo. Nitondra fitaovana manokana fampiasa rehefa miditra anaty rano. Tsy niverina niakatra an-tanety intsony anefa taorian’io […]

Mahafaty ny tsy fahampiana siramamy: Mpitaona rano namoy ny ainy an-dalana teny Ivato

Mila mitandrina! Mahafaty tampoka ny tsy fahampian’ny siramamy amin’ny vatana fa tsy ny tosidra sy ny fijanonan’ny fo ihany. Raim-pianakaviana iray no lasibatra teny amin’ny tsenan’Ivato, afakomaly alina. Mpitaona rano tratran’ny havizanana diso tafahoatra izy. Lehilahy 53 taona, hita faty tao amin’ny tsenan’ Ivato, afakomaly 28 septambra 2026, tamin’ny 07 […]

Nifampidaroka sy nifamono : Lehilahy iray namoy ny ainy, efatra naratra

Namoy ny ainy ny lehilahy iray lasibatra nandritra ny fifampikasihan-tanana teo amin’ireo mpanatrika lanonam-pamadihana tao Ambohidramasy, Andra­injato, kaominina Fianaran­tsoa, ny marain’ny sabotsy 27 septambra, tamin’ny 1 ora maraina. Nandritra ny fanapoahana afomanga nataon’ny tompon-danonana. Nifampi­daroka sy nifamono ireo lehilahy. « Notazomina tato amin’ ny hopitaly ny lehilahy telo vokatry ny ratra », […]

Mpisakaiza nalefa eny : Tsiafahy Ady lova niafara tamin’ny vono olona

Lehilahy sy vehivavy izay mpisakaiza, tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Belaza Valentin, lehilahy 32 taona, tetsy Anatahiazo Isotry, ny alin’ny 21 septambra 2026 teo. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy izy ireo, omaly. Taorian’izay, nalefa vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy, ary eny Antanimora ilay vehivavy mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Anabavin’ilay lehilahy […]