Tranga

Milaza fa marary ny zanany: Tratra ny ramatoa mpisoloky amin’ny facebook

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe ny renim-pianakaviana iray mpisoloky amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Lazainy fa marary ny zanany ka mangataka tolo-tanana izy… Noraisim-potsiny teny an-dalana hamonjy hopitaly fiterahana ao Foulpointe, omaly, ny renim-pianakaviana iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avo lenta anaty tambajotran-tserasera facebook. Misoloky nampiasa ny zanany salama […]

Naiditra am-ponja: Jiolahy nanafika mpivarotra saribao

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny 21 aogositra 2024 lasa teo, ireo jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanafihana mpivarotra saribao teny Ambohimanarina. Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) no nisahana ny fanenjehana ireto jiolahy ireto. Nanafika toeram-pivarotana saribao teny […]

Hitan’ny Caméra de surveillance: Karohin’ny polisy i Gervais sy Wawa

Ifampitadiavan’ny polisy ao Toamasina ireto tontakely roa lahy fantatra amin’ny anarana hoe Gervais 12 taona sy Wawa, 13 taona, malaza ratsy amin’ny famakiana tranon’olona, ireto. Samy monina ao Ambosaina Toamasina II izy roa lahy ireo. Niditra an-keriny tao an-tokontanin’olona izy roa lahy, nangalatra gisa sy izay azo nobataina, kanjo voarain’ny […]