Novakian’ny olon-dratsy ny tokantrano iray tetsy Avaratetezana Ampitatafika, ny alahadin’ny Paka teo. Teo anelanelan’ny tamin’ny 7 ora hatramin’ny 11 ora atoandro no nanatanterahin’izy ireo izany asa ratsy izany. Very, nandritra izany, ny sakaosy mainty iray, nahitana fakan-tsary canon EOS 60D, miaraka amin’ny objectif canon 2 (18 -135mm) sy finday samsung iray […]
Tranga
Akon’ny fetin’ny Paka : 34 ireo olona voasambotra
Nahatratra 34 ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka 2026 lasa teo, teto amin’ny faritra Analamanga, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena, omaly. Nosamborina noho ny vaky trano ny telo, tra-tehaka teo am-panaovana sinto-mahery ny iray hafa. Tratra nangalatra moto kosa ny efatra […]
Ben’ny Tanànan’i Tsarasaotra-Ambositra: Arahi-maso ara-pitsarana, taorian’ny savorovoro
Niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra, arahi-maso ara-pitsarana ny ben’ny Tanàna ao Tsarasaotra, taorian’ny savorovoro nataon’ireo mpomba azy, omaly. Niditra an-tsehatra nandamina ny savorovoro nataon’ny fokonolona tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambositra ireo mpitandro filaminana taorian’ny didy nivoaka fa hampidirina vonjimaika am-ponja ny ben’ny Tanàna an’i Tsarasaotra, […]
Notifirin’ny polisy : Raim-pianakaviana niboraka atidoha !
Dimy andro aty aorian’ny naha voatifitra azy, tsy misy maka eny amin’ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray. Potiky ny balan’ny polisy ny lohany, tao Tanambao II. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny antony nitifirana azy. Maty voatifitry ny polisy ny lehilahy iray ny alakamisy lasa teo, tany Tanambao faharoa, Toamasina. […]
Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany : Olona telo naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana, ny zoma lasa teo, ny raharaha momba ny renim-pianakaviana iray voarasa antsy tany Mahavoky Avaratra, kaominina Mahajanga. Olona miisa telo no voasambotry ny polisim-pirenena ary naiditra vonjimaika am-ponja, taorian’izay. Anisan’izany ny zana-drahavavin’ilay niharam-boina, izay tompon’antoka tamin’io vono olona io. Novonoina tamin’ny antsy sy vakina tavoahangy […]





