Tranga

Ankadinondry Sakay: Voasambotra ilay lehilahy nidaroka vady aman-janaka

Zatra mampihatra herisetra amin’ny vadiny sy ny zanany va­vikely, notanan’ny zandarimaria ao Ankadinondry Sakay ny raim-pianakaviana iray, oma­ly maraina. Nodaro­darohan-drangahy ny ramatoa vadiny ary lasibatra ihany koa ny zanany vavikely, tao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, afakomaly alina. Mive­lona amin’ny asa fanamboarana finday ao an-toerana ilay raim-pianakaviana. Mampijaly ny vady aman-janany amin’ny […]

Vono olona tetsy Ankadikely : Roa vavy niakatra fampanoavana

Nohainoina teo anivon’ny fampanoavana tao Ambohitra­biby, distrikan’Avaradrano, omaly, ireo olona roa voarohirohy tamin’ny vono olona tetsy Ankadikely Ilafy. Nosamborin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana iray voatsatok’antsy ireo olona ireo ka anisan’izany ilay sakazain’ilay namoy ny ainy. Tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoan’ireo tsy mataho-tody an’io raim-pianakaviana io. Noleran’izy ireo […]

Nilalao teo an-davarangana: Roa maty, iray naratra nilatsaham-potaka 

Misesisesy ny olona maty nilatsaham-potaka tato ho ato. Ankizilahy miisa telo, indray lasibatr’izany, tany Bemahatazana, Tsiroanimandidy, afakomaly hariva. Maty ny roa, mbola manaraka fitsaboana ny iray. Nirefotra mafy sy namono olona indray ny va­ratra tany Atsimombo­hitra, fo­kontany Bemahata­zana I, kaominina ambanivohitra Bema­hatazana, disitrikan’i Tsiroani­man­didy, faritra Bongolava, afakomaly tokony ho tamin’ny […]

Zaza varira maty notapahin-doha : Lehilahy iray voasambotra, naiditra am-ponja

Maty notapahin-doha tany Betsingala, distrikan’i Mam­pikony, afakomaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, ny ankizilahy 11 taona, manana toe-tena varira. Tao an-trano izy sy ny zaodahiny iray tamin’io fotoana io. Nisy olona telo, nisaron-tava sy nirongo zava-maranitra (toy ny antsy sy famaky), tonga sy niditra an-keriny tao an-trano. Vantany vao […]

Niharan’ny fanolanana : Mpianatry ny CEG namoy ny ainy

Hita faty tao anaty kirihitra ny ankizivavy 15 taona mbola mpianatra eny amin’ny CEG, tao amin’ny fokontany Ambo­hitratsimo, kaominina Andranomiady, distrikan’i Faratsiho, afakomaly. Hamonjy toeram-pianarana no nialan’io ankizy io ny tokantrano, ny talata 10 febroary lasa teo. Nianatra teo anivon’ny CEG Ambohitratsimo ity ankizy niharan’ny fanolanana ity. Tsy niverina tao […]