Tranga

Reniranon’Ikopa :Tovolahy iray namoy ny ainy

Niara-nilalao rano tamin’ny tovolahy namany, natelin’ny rano ka nifamonjena saingy tsy tana ny ain’ny tovolahy iray, tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny alahady 15 febroary teo. Nanomboka tamin’ny 1 ora sy fahefany tolakandro, nilalao rano teo amin’ny reniranon’Ikopa ny andiana tovolahy maromaro. Anisan’izany io tovolahy io. Nilentika tampoka anefa izy. […]

Nariana tao ambany lavarangana : Tovolahy hita faty, nokendaina tamin’ny kofehy

Nisy nanipy teo ambany lavaranga ny fatina tovolahy iray, ny faran’ny herinandro lasa teo, tany amin’ny kaominina Alakamisy, Antsirabe II. Nodoran’ny fokonolona kosa ny tranon’ilay ahina ho nahavanon-doza. Karohin’ny manam-pahefana nanomboka ny zoma 13 febroary teo, ny lehilahy iray ahina ho namono nahafaty tovolahy vao 15 taona monja tao amin’ny […]

Nifamaly tao amin’ny toeram-pisotroana : Lehilahy voatifitra basy, karohina ilay nahavanon-doza

Niafara tamin’ny fandratrana olona roa ny fifamaliana teo amin’ny lehilahy miisa roa tao amin’ny toeram-pisotroana iray, teny Andoharanofo­tsy, ny zoma 13 febroary teo. Nandositra ilay nitifitra. Voan’ny bala teo amin’ny so­rony havia sy teo amin’ny feny havanana ny lehilahy iray, teny Malakialina, fokontany Ma­halavolona, kaominina am­banivohitra Andoharanofo­tsy, distrikan’Antananarivo Atsi­mon­dra­no, ny […]

Imerimandroso: Jiolahy nanafika Cash point voasambotra

Nanambana basy kilalao sy antsy mpanao Cash-point, jiolahy iray voasambotry ny fokonolona sy ny zandary tao amin’ny fokontany Alatsinainy, kaominina Imerimandroso, distrikan’ Ambo­hi­dratrimo, ny zoma 13 febroary teo. Jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao amin’ io toerana fikirakirana vola io, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Tsy nisy fanazavana, nanery […]