Tranga

Soamahamanina: Telo lahy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa, ireo telo lahy nahatrarana taribin-jiro tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, distrikan’i Miarinarivo. Lasan’ny mpanao ratsy avokoa ny an­kamaroan’ny tariby hampiasain’ny orinasa mpamatsy herinaratra ao anatin’io kaominina io. Nahatsikaritra fisiana toe-javatra hafahafa ny mponina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Fiara fitateram-bahoaka tratran’izy […]

Halatra omby : Dahalo dimy lavon’ny zandary

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ma­hery vaika ny dahalo raindahiny miisa dimy, tao amin’ny tanànan’i Tsararavaka, fokontany Ambatolahy, kaominina Vinany, distrikan’i Mandoto, ny alin’ny alarobia 4 febroary teo, tamin’ ny 10 ora alina. Nalain’ireo olon-dratsy nitam-basy ny omby mi­isa fito tao amin’ny vala iray anatin’io tanàna io. Niantso […]

Kaominina Talatamaty: Olona dimy naiditra am-ponja, tsy ampy taona ny roa

“Nandray anjara mivantana tamin’ny halatra sy vaky trano ny 28 janoary teo ireo olona dimy notanana vonjimaika any am-ponja taorian’ny fampanoavana”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Talatamaty, omaly. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa misy roa lahy tratra nisokitra vavahadin’olona. Notanana ireo […]

Anosibe sy Analakely: Mpangarom-paosy dimy voasambotra

Lehilahy dimy voasambotry ny polisim-pirenena nanao fanamiana sivily, omaly atoandro. Tratra teo am-panaovana asa ratsy sy nangarom-paosy ireto farany. Mpandeha an-tongotra sy miandry fiara fitateram-bahoaka etsy Anosibe sy Analakely ireo lasibatra. Tra-tehaka tetsy Anosibe ny efatra, raha tratra nangalatra miharo herisetra tetsy Analakely kosa ny iray hafa, omaly tamin’ny 12 […]