Tranga

Avy namaky valan’omby : maty voatifitry ny zandary i Nesta Be

Lavon’ny balan’ny zandary, omaly alina, tao amin’ny kizon’Antaikankana, fokontany Ambohibemasoandro, kaominina Ambohitrolomahitsy, distrikan’i Manjakandriana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Nesta Be. Namaky fahitr’omby iray tao Ambohibemasoandry izy tamin’io fotoana io ka tsikaritry ny polisim-bohitra satria nirongo fitaovam-piadiana rahateo ireo dahalo nanafika. Nahazo fampandrenesana avy hatrany ny zandary […]

Saika haondrana: telo lahy nahatrarana rongony 100 kg

Voasambotry ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambilobe, afakomaly, ireo jiolahy telo mpanao trafikana zava-mahadomelina. Voalaza tao anatin’ny tatitra nampitain’ny zandary fa mpamboly sady mpivarotra ary mpifoka izy telo lahy tratra ireto. Nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireo jiolahy mamboly rongony amina velaran-tany amina hekitara ao Ambilobe ny zandary. Nidina nanao fitsirihana […]

Nisitrika tao anaty kizo : voatifitra ireo dahalo mpaka an-keriny

Nitrangana fakana an-keriny ny 22 aogositra sy ny 5 septambra teo, tao amin’ny fokontany Mahatsinjo Sahalemaka, Ambohidratrimo. Avotra teo am-pelatanan’ireo olon-dratsy ireo olona nalaina an-keriny taorian’ny fanomezam-baovao sy ny fikarohana ireo zohy fieren’ireo dahalo. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny zandary ka tao anatin’izany no nahafantarana anaran’olona maromaro ahina ho tompon’antoka […]

Dahalo raindahiny : maty voatifitra i Lefaly sy Livakely

Maty rotiky ny balan’ny zandary tao Ambolotarakely, fokontany Mahasoratra, kaominina ambanivohitr’i Sabotsy Ambohitromby, distrikan’An­dra­masina, afakomaly misasakalina, ny dahalo roa fantatra amin’ny anarana hoe i Lefaly sy i Livakely. Avy nanafika sady nitondra omby ry zalahy tamin’io alina io. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andramasina, hanampy ny […]