Namoy ny ainy vokatry ny kaikitry ny voay ny zazalahy iray vao enin-taona monja tao amin’ny fokontany Andrafiamivony, kaominina Bebaboky Atsimo, distrika Maintirano, afakomaly. Efa zatra mivezivezy amin’io toerana io ilay zazalahy. Niandry omby izy ka nikasa hamonjy fodiana niaraka tamin’ireo namany maromaro, tamin’ny 5 ora hariva. Manoloana ny fiakaran’ny […]
Tranga
Lozam-pifamoivoizana tetsy Behoririka: Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ilay mpamily
Natao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpamilin’ny fiara taxi-be 114, namoa-doza tetsy Behoririka, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana, omaly. Hatao ny 4 febroary hoavy izao ny fotoam-pitsarana. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha lozam-pifamoivoizana nahafaty ankizivavikely 6 taona tetsy Behoririka, ny 10 desambra lasa teo. Taorian’ny […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy dimy naiditra am-ponja
Tafakatra dimy ireo jiolahy notanana am-ponja toarian’ny fihainoan’ny fampanoavana azy ireo, teny amin’ny Lapan’ ny fitsarana Anosy, ny 12 desambra teo. Ahina ho tompon’ antoka sy nandray anjara mivantana na ankolaka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantrano iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, avokoa ireo olona ireo. Nidiran’ny olon-dratsy tao […]
Fenoarivo : Lehilahy iray matin’ny hatsiaka
Hita faty tao anaty tatatra tetsy Fenoarivo, ny lehilahy iray, omaly. Tsy nisy ratra ny vatany fa nahitana fery amban’ ny aretina diabeta kosa ny rantsan-tongony. Matin’ny hatsiaka ny nahafaty azy, raha ny fizahan’ny mpitsabo. Lehilahy iray, 42 taona, hita faty tao anaty tatatra, amoron’arabe, lalam-pirenena voalohany, teo amin’ ny […]
Fisavana tany Mantasoa: Nikaroka fitaovam-piadiana nafenina ny FDS
Tompon’antoka tamin’ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika eto Madagasikara, ny tale jeneralin’ny vondrona Sodiat, Ravatomanga Mamy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Vondron-kery fiarovana sy ny filaminana, omaly. Ara-dalàna ho azy ireo ny fisavana rehetra izay natao teny anivon’ny trano fonenana sy ny orinasa sasantsasany eo anivon’ io vondron’orinasa io. “Nomen’ […]




