Tranga

Ambatomaro: Jiolahy efatra maty voatifitra

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy miisa efatra, anisan’ireo nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambatomaro, ny alin’ny alahady 14 desambra teo. Na­ha­ray antso avy amin’ny tsara sitrapo ny ekipan’ny polisim-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika. Nanao ny angom-baovao rehetra izy ireo ka nidina ifotony ny ekipan’ny USI, fantatry ny […]

Ankazomanga : Raim-pianakaviana maty nananton-tena

Hita faty nihantona tamin’ny tadin-kiraro tao an-trano fonenany, tetsy Ankazomanga Atsimo, omaly maraina, ny raim-pianakaviana iray tokony ho 40 taona. Nisy nandrahona tamin’ny finday foana izy andro vitsivitsy talohan’io tranga io. Tsy hita nivoaboaka ity raim-pianakaviana ity, ka nanokatra ny varavaran’ilay trano tetsy Ankazo­man­ga Atsimo, vakim-paritra II, omaly maraina, ny […]

Fisavana ny tranon-dRavatomanga mamy: Nikaroka basy sy vola ireo miaramila nisaron-tava

Niharan’ny vono avy ha­trany ny mpiandry tanàna ny marain’ny sabotsy teo nanoloana ireto miaramila miisa fito ireto teo am-bahahady, an­koatra ireo andiany hafa na­nodidina ny tanàna sy nanemitra ny arabe. Nitonona ho iraky ny fanjakana izy ireo ary hisava kanefa tsy nampiseho taratasy momba izany, araka ny loharanom-baovao. Nive­rim­berina ny […]

Ambatolampy : Mpanolan-jaza voasambotra

Nosamborin’ny manam-pahefana ny lehilahy iray nikasa hanolan-jaza tao amin’ny fokontany Ankidondona I, kaomi­nina Ambatolampy, ny 11 desambra teo. Norebireben’io lehi­lahy io ny zazavavy vao 12 taona. Nosarihina hiditra tao amin’ ny trano fonenany. Nikasa hanampatra ny filan-dratsiny ity lehilahy ity kinanjo nikiakiaka sady niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay ankizivavy. Nikoropaka […]

Fiara tapaka hisatra : Mpianaka maty nofaohin’ny 4×4

Tsy tana ny ain’ireo mpianaka lasibatry ny lozam-pifamoivoizana tao Ambatondrazaka, afakomaly. Zaza folo taona nofaohin’ilay 4×4 ary nifatratra tamin’ny renim-pianakaviana iray hafa taorian’io. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizan’aina indray tao amin’ ny fokontany Antanifotsy, Ambatondrazaka, ny marain’ ny sabotsy 13 desambra teo, tamin’ny 9 ora. Nandeha mafy avy amin’ny lalana midina ny […]