Notanana natao andrimaso eo anivon’ny tobim-paritra Nosy Varika, amin’izao fotoana izao, ny lehilahy iray voalaza fa saika hampamono sefo fokontany tany amin’ny fokontanin’ Ambatoseza. Tonga nanatitra azy io tany amin’ny zandary any an-toerana ny miaramila telo lahy avy ao amin’ny 2ème Compagnie Vohimanoro, ny alarobia 14 mey, tamin’ny 04 ora […]
Tranga
Mandrimena Andoharanofotsy: mpitondra moto maty nidona tamin’ny kamiao simba
Namoa-doza indray ny fiara lehibe mpitatitra, simba, nijanona tamin’ny arabe tetsy Andoharanofotsy, ny sabotsy alina teo. Tsy nametraka mari-pamantarana manambara ny fijanonany. Tovolahy iray nitondra moto scooter maty rehefa nidona taminy. Maty tsy tra-drano, nidona tamin’ny vodina fiara lehibe iray tetsy amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK 10 + 600, Mandrimena Malakialina, […]
Tratra nivarotra rongony : Telo lahy nalefa eny Antanimora
Notanana eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy mpivarotra rongony, taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny zandary, ny alin’ny alatsinainy 12 mey teo. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana, vaky trano nifanena tamin’izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany io mpanao ratsy io rehefa nahatazana ny mpitandro […]
Nilaza ho miompy kalanoro: Mpisoloky nahazo 25 tapitrisa Ar
Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola ny lehilahy mpisoloky ho manana volamena sy miompy kalanoro, teny amin’ ny Rocade, ny 14 mey teo. Nilaza ho manana volamena betsaka avy amin’ny raibeny io lehilahy io. Tsy tafavoaka anefa io harena io raha toa ka tsy mampiasa vola. Noresen’ […]
Mahajanga : Mpanao Cash point iray voatsatoka antsy
Notafihin’ny olon-dratsy ny tovolahy iray mpanao Cash point tany Ambohimandamina, Mahabibo Mahajanga, faritra Boeny, omaly maraina. Teo am-panaovana ny asa aman-draharaha toy ny mahazatra ity tovolahy ity no nisy lehilahy roa nanatona azy. Nanambana azy tamin’ny antsy ary nitaky ireo vola rehetra tany aminy ireo mpandroba. Notsindromin’ izy ireo tamin’ilay […]