Niakatra fampanoavana afakomaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny vehivavy mpangarom-paosy miisa enina tratra tao Analavory. Nanararaotra andron’ny tsena, ny roa vavy ka nanao ny asa ratsiny. Nanao fanamiana sivily, nanara-maso teny amin’ ny manodidina ny tsena ny mpitandro filaminana ka nahatsikaritra ny fihetsik’ireo olon-dratsy miisa roa ireo. Tsy afa-nandà satria […]
Tranga
Sambava : Nokorontanin’ilay vehivavy ny fasana
Indroa saron’ny fokonolona nanakorontana ny lamba namonosana ireo razana milevina tao anatin’ny fasana, tao Ambahavala, kaominina Sambava, ny vehivavy iray. Nosavoritahiny avokoa ny razana rehetra tao anatin’ny fasana maromaro ao an-toerana. Niparitaka nanerana ny tokotanim-pasana ireo lamba sasany namonosan’ny fianakaviany ireo olona efa namoy ny ainy milevina amin’io toerana io. […]
Notafihana dimy lahy : Ben’ny Tanàna lefitra maty voatifitra sy voaroba
Vonoan’olona tsotr’izao no nahafaty ny ben’ny Tanàna lefitra tao Benenitra, omaly maraina. Notifirin’ny olon-dratsy izy ka nahazo ny tratrany ny bala. Dimy lahy nitondra fitaovam-piadiana niditra an-keriny tao amin’ny tokatranon’ny lefitry ny ben’ny Tanàna miasa ao amin’ny kaominina Benenitra, faritra Atsimo Andrefana, omaly. Nopitsohan’ny jiolahy tamin’ny alalan’ny famaky ny varavarana, […]
Anosizato : Lehilahy ahina ho maty novonoim-badiny
Hohainoin’ny fitsarana anio ny vadin’ilay lehilahy 21 taona namoy ny ainy, teny Anosizato. Nitrangana vonoan’olona mampiahiahy teny an-toerana, ny talata lasa teo. Nisy tsy fifankazahoana ka niafara tamin’ny disadisa teo amin’io lehilahy io sy ny vadiny, araka ny loharanom-baovao. Niasa toy ny fanoany ilay lehilahy nandritra ny tapakandro maraina, raha […]
Halatra tariby : Polisy am-perinasa voasambotra
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy miisa fito anaty tambajotra mpangalatra tariby tao amin’ny Sarimasina, fokontany Antananambo, kaominina Fanandrana, omaly. Sarona nandoro ny tariby avy nangalariny tamin’ny sisin’arabe ny roa lahy. Narahi-maso, nisy fiara iray marika Mazda miloko mena nigadona teo amin’ny mpangalatra tariby. Nikasa hampiakatra ny entana ao anatin’ny fiara […]




