Tranga

Lozam-pifamoivoizana : Mpitondra moto telo namoy ny ainy

Mpitondra moto miisa telo matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena voalohany sy fahafito, ny alakamisy 24 septambra lasa teo. Olona iray tapa-tongotra. Ben’ny Tanàna teo aloha tao amin’ny kaominina Morafeno, distrika Arivo­nimamo, ny iray tamin’ireo olona telo namoy ny ainy taorian’ny loza an-dalambe ni­tran­ga afakomaly. Nitondra moto ity olom-boafidy teo aloha […]

Famonoana an’i Tahiry sy Tiavina : Hasarotam-piaro, olona enina nalefa eny am-ponja

Olona miisa fito no voarohirohy tamin’ny famonoana an’ireo roa lahy (Tahiry sy Tiavina) hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa Tanjombato, ny 15 sy 16 septambra lasa teo. Niakatra fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjy maika izy rehetra ireo, taorian’izay. Nalefa eny amin’ny fonjaben’ Antanimora ny […]

Tsatoka antsy tetsy Alasora: Voasambotra ilay nahavanon-doza

Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, tsy tana ny ain’ny lehilahy iray voatsatoka antsy teny By-Pass, Alasora, ny alin’ny alatsinainy 21 septambra tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nitrangana savorovoro teo amin’ny andiana tanora niaraka nisotrosotro tao amin’ny toeram-panadiovana fiara teny an-toerana. Nampiasa zava-maranitra anefa ny iray tamin’ireo nifampikasi-tanana. Namoaka antsy […]

Nilaza fa nipetrahan-javatra: Vehivavy notsatohan-janany antsy

Nivoa-dra! Notsatotsatohan’ny zanany vavy antsy intelo ny renim-pianakaviana iray tamin’ny fiandohan’ny herinandro, tao Toamasina. Nilaza ho nipetrahan-javatra hafahafa, naniraka azy hamono ny reniny, ilay nahavanon-doza. Naratra mafy vokatry ny tsindron’antsy miisa telo natao azy ny re­nim-pianakaviana iray monina ao Analankininina, Toama­siana, tamin’ny alatsinainy maraina. Tompon’antoka ny zanany vavy vao 15 […]

Raharaha “Boeing 777” : Nahemotra amin’ny 27 oktobra ny fitsarana

Nahemotra amin’ny 27 oktobra 2026 ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana mahakasika ny raharaha “Boeing 777”, raha ny fanazavana nataon’ny filohan’ny mpitsara. Raha tokony ho natao omaly, tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 Ha izany. Antony ny tsy fahatongavan’ny avy amin’ny ACM, izay mpitory, nanatrika ny fotoana. Ankoatra […]