Maty voatsindrona antsy teo amin’ny tendany, omaly, tetsy Anosizato Andrefana, i Manitra, na Bob Hidan. An-dalana hody niaraka tamin’ny namany izy no niharan-doza ka izao namoy ny ainy izao. Maty notsatohan’ny olon-dratsy tamin’ny antsy, tetsy Anosizato Andrefana, omaly maraina tokony ho tamin’ny 2 ora, ny lehilahy iray antsoina hoe: Manitra […]
Tranga
Nangalatra tariby an’ny Jirama : Jiolahy iray tavela teny ambony andrin-jiro
Mitohy ny fahatrarana ireo mpangalatra tariby mitondra herinaratry ny Jirama tato ho ato. Lehilahy iray indray no lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ampahimanga, tany an-toerana, ny alin’ny talata hifoha omaly. Lehilahy miisa fito no niray tendro ka nangalatra sy nanongotra ireo tariby mitondra ny herinaratra tany amin’ny fokontany […]
IMerimandroso : Fasana iray vaky, very ny razana miisa 27
Novakian’ny olon-dratsy ny fasana iray ao Ambohimanjaka, fokontany Ambohidrakitra, kaominina Imerimandroso, omaly, tamin’ny 01 Ora sy 30 minitra atoandro. Nahatsikaritra ny fasana efa vaky ny mponina sendra nandalo handeha haka vilona, ka nampandre ny sefo fokontany tany Ambohidrakitra. Ity farany no nampandre ny zandary avy ao amin’ ny zana-tobim-paritra Imerimandroso. […]
Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle : Samy migadra izy sy ny reniny !
Nivoaka omaly ny didy mahakasika ny minisitry ny Fampianarana teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Voaheloka migadra dimy taona sazy mihatra izy. Marihina fa samy any am-ponja izany izy sy ny reniny, ankehitriny. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana manameloka ny minisitra teo aloha sady olom-boafidy tao Fianarantsoa I. Nomelohin’ny fitsarana higadra dimy […]
Nahitana bala sy basim-borona : Lehilahy iray maty voatifitry ny Tafika Malagasy
Namoy ny ainy, voatifitry ny mpitandro filaminana avy amin’ny Tafika Malagasy, omaly maraina, ny lehilahy iray tokony ho 35 taona. Voasambotry ny mpitandro filaminana izay niandraikitra ny filaminana sy fandriampahalemana any an-toerana izy, ny alatsinainy, andro iray talohan’ny nahafaty azy, tany Ankilimanarivo, fokontany Ambalamanga, kaominina ambanivohitra Beravina, distrikan’i Morafenobe. Nahitana […]





