Tranga

Antohomadinika: mpitsindrona rôrô 10 lahy voasambotra

Tra-tehaky ny polisim-pirenena ny lehilahy folo mpanendaka sady mpitsindrona rôrô tetsy Antohomadinika, omaly. Nanaovan’ny polisy be midina, voasambotra avo­koa ny andian-dehilahy mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’ny fokontany Antohoma­dinika, omaly maraina. Na­haray loharanom-baovao ny polisy fa manjaka ny fidoro­hana rôrô eny amin’ny manodidina. Tsy vitan’izay, manao sinto-mahery sy manendaka ny […]

Asan-dahalo: raim-pianakaviana voasambotra

Voasambotry ny Tafika ny raim-pianakaviana iray nihazona fitaovam-piadiana sy ody ratsy maromaro tao amin’ny tanànan’i Manitsy, fokontany Mahatsinjo, kaominina Fiarena­na, ny 4 aogositra teo. Nandritra ny asa fampandriana fahalemana nataon’ny miaramila avy ao amin’ny Holafy fahefatra Ambaravaranala, tra-tehaka io olon-dratsy io. Natao famotorana lalina, fantatra fa zanak’ity voasambotra ity avokoa […]

«Opération Harato»: dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra

Nifamaly tifitra tamin’ny zandary sy ny Tafika ny dahalo ampolony tao amin’ny kaominina Ambakireny, omaly maraina. Maty voatifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, lavon’ny bala i Njaka Bara na i Popoka, dahalo ikoizana amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, omaly maraina. Anatin’ny hetsika “Ha­rato”, mpitandro […]

Tsy salama saina: vehivavy voalaza fa very, hita faty notapahin-doha

Voalaza fa tsy hita popoka ity vehivavy iray tsy salama saina. Hitan’ny fokonolona anefa ny vatana mangatsiakany efa notapahin-tenda, omaly. Mbola ifampitadiavana ny lohany. Vehivavy 59 taona hita faty tsy nisy loha intsony tao amin’ny Andrano­mia­diloha, kaominina Ampi­tana, distrikan’Ambohi­maha­soa, omaly. Nanao filazana tamin’ny radio ny fianakaviany fa tsy hita ny […]

Ambanja: Congolais enina tra-tehaka

Congolais miisa enina nosamborin’ny zandary tao Ankatafahely, kaominina Ambanja, ny 2 aogositra teo. Nipetraka tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao an-toerana izy ireo. Nikasa hiondrana antsokosoko hihazo ny nosy Mayotte. Nanao ny fisavana ny mpitandro filaminana ka tsy nahitana antontan-taratasy mazava teny amin’izy ireo. Renim-pianakaviana iray, 35 taona, niampy ireo […]