Lehilahy nitondra moto scooter tra-doza teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Ambohitrimanjaka sy Andranotapahina, teo amin’ny Ankadivory, kaominina Talatamaty, afakomaly. Nandeha irery tamin’ny moto, nivilavila io lehilahy io. Tsy nahafehy ny familiana intsony ka nidona tamin’ny sisin’arabe. Poa toy izay, nipitika ilay mpitondra moto ary saika nifatratra tany ambanin’ny kamiao iray […]
Tranga
Nisoloky vola 15 tapitrisa Ar : Lehilahy voasambotry ny polisy
Notanana am-ponja, omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray tratra nisoloky vola an-tapitrisany, tao amin’ny kaominina Ambondromiditra, faritra Amoron’i Mania. Nitrangana fisolokiana ny renim-pianakaviana iray, tao amin’ny tanànan’Ambondromiditra, ny volana novambra lasa teo. Norebireben’ny olon-dratsy io ramatoa io. Nakany vola mba hampiasaina amin’ny asa hahazoana lelavola. Nanome lelavola 15 […]
Tranga mampiahiahy : Olona roa hita faty, omaly
Misesisesy ny fahitana fatin’olona eto amin’ny Nosy, tato ho ato. Renim-pianakaviana iray sy tovolahy iray hita faty tetsy Sabotsy Namehana sy By-pass, omaly maraina. Nahitana ratra sy ra ny vavan’ilay tovolahy, raha tsy nahitana ratra kosa ilay ramatoa. Nahitana fatim-behivavy iray manodidina ny 50 taona eo ho eo tetsy Andoharano, […]
Mangarivotra : Lavon’ny balan’ny polisy i Mainty
Nirefotra ny basy tany Mangarivotra, ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ ny polisy sy ireo jiolahy mpamaky trano tany amin’ny fokontany Mangarivotra, Ankirihiry, Cité Haras, Toamasina. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) nandritra izany ny jiolahy iray, fantatra amin’ ny anaram-bositra hoe : […]
Fanolanana ankizivavy 15 taona: Mpivady niara-naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana ny 5 desambra teo, tany amin’ny fitsarana Tolagnaro, ny ombiasy iray sy ny vadiny. Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny Tolagnaro izy ireo taorian’ izay. Voarohirohy tamin’ny fanolanana ankizivavy 15 taona tany Mangarivotra, fokontany Amboanato, kaominina Tolagnaro, ny 26 novambra 2025 lasa teo izy ireo. Tsiahivina fa nisy nanolana […]




