Tranga

67 Ha: Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisy

Nisehoana fifandonana ma­hery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny polisy avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) Tsaralalana, ny sabotsy maraina, tetsy 67 Ha, akaikin’ny fiantsonan’ny fiara zotra 119. Jiolahy miisa telo maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Poa-basy maro no henon’ny mponina nandritra ny fotoana vitsy […]

Ankazomanga : Lehilahy iray maty nananton-tena

Lehilahy iray 35 taona, maty nananton-tena tamin’ny tady tetsy Ankazomanga atsimo, ny alin’ny zoma lasa teo. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy ary nilaza ny handeha hamonjy toeram-pivoahana tamin’ny 9 ora alina. Tsy niverina intsony anefa izy ary nivoaka nitady azy ny reniny. « Nihidy be ny toearam-pivoahana ary nandeha nitady azy hatrany […]

Horohorontany teto Antananarivo: Nandrodana trano sy nandratra ankizy

Nahatratra 5,6 amin’ny maridrefy Richter, naharitra 5 segodra ny horohorontany nitranga teto Antananarivo, afakomaly. Mafimafy ny fihozongozonana ka nisy ny trano nirondana sy nitriatra. Nisy ankizivavikely dimy taona, naratra tao Avaratsena, Soavinandriana. Nitrangana horohorontany mahery vaika teto Madagasikara, ny sa­botsy atoandro lasa teo ta­min’ny 11 ora sy 32 minitra. Tany […]

Fikasana hamono tena : Lehilahy iray nisotro famonoana bibikely

Tovolahy 25 taona nisotro ranom-panafody famonoana bibikely atao hoe « Ultra­ci­de », omaly hariva tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Ni­seho tao Anonoka, fokontany sy kaominina Sadabe, distrikan’i Man­jakandriana, ny tranga. Nen­tin’ny fokonolona tany amin’ny CSB2 Sadabe izy rehefa hi­tan’ny olona fa niha nalemy sy reraka. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany […]

Andravoahangy : Lehilahy 40 taona maty tampoka

Lehilahy iray, tokony ho 40 taona, maty tampoka tetsy amin’ny tsenan’Andravoahangy, omaly maraina. Mbola hitan’ny olona nandehandeha teny an-toerana izy talohan’ny fotoana nitrangan’ny loza. Naka aina sy nipetraka ary natoritory teo amin’ny sisin-dalana izy. “Vetivety teo, niantsambotra izy ary toa ireny olona miala aina ireny”, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana. […]