Tranga

Ambatoroka: nipotsaka ny atidohan’ilay mpitondra moto

Nandriaka ny ra! Niparitaka teo amin’ny arabe ny atidohan’ny lehilahy iray nitondro moto voahitsaky ny kamiao teo Ambatoroka, omaly. Voahitsaky ny kamiao, niparitaka tamin’ny ara­be ny atidohan’ny raim-pianakaviana iray tra-doza teny Ambatoroka, Boriborin­tany faharoa, omaly tolakandro. Saika isan’andro tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fandehanana mafy sy ny tsy […]

Fiondranana antsokosoko: teratany vahiny 14 naiditra am-ponja

Niara-notanana vonjimaika any am-ponja, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fampanoavana, ireo teratany vahiny 14 niampy Malagasy 10 nikasa hivoaka antsokosoko ny fari-dranomasina tao Ambalabao, fokontany Marovato, kaominina Ankaramy, distrikan’Analalava. Voasambotry ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tampoka tao amin’io toerana io ireo somalianina ampolony ireo niaraka tamin’ny Malagasy, ny 23 jolay […]

Talata Volonondry: jiolahy tratra nangalatra hidin-drano

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny sabotsy teo, ny jiolahy iray tompon’antoka amin’ny fangalarana vy fanao hidin-drano eny amin’ny tohodrano. Tao Sahanandriana no nahatrarana azy. Tratra teny aminy ny tsatoby lava roa famoahana sy fanidiana rano amina tohodrano manondraka ny saha eny Ambohitrangano. Vesatra hanenjehana azy […]