Tra-doza ny fiara fitateram-bahoaka iray, omaly, teny Ankadilalana. Fiara enina sy moto iray no voafaoka ka potipotika tanteraka. Olona roa naratra izay tena voa mafy ny iray. Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona teny Ankadilalana, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Fiara taxi-be zotra 015 hihazo an’i Mahamasina no tapaka hisatra tampoka rehefa […]
Tranga
Ambositra : tovolahy 17 taona hita faty
Ny lohany sy ny akanjony sisa namantaran’ny fianakaviany ny tovolahy iray 17 taona hita faty tao Kidavy, fokontany Antoetra, kaominina Ambositra, ny alahady 28 jolay teo. Tsy hita iray volana lasa izy. Nanao filazana tamin’ny alalan’ny onjam-peo ny fianakaviany ary nanao ombay mitady. Ny faran’ny herinandro teo, mpandalo no nahatsikaritra […]
Famonoana an’i Allan : vehivavy iray migadra 20 taona
Niakatra fitsarana omaly, ilay raharaha vonoan’olona feno habibiana nihatra tamin’ilay ankizilahy 10 taona antsoina hoe Rakotozafy Alain Maherinjaka na Allan. Olona 10 indray voarohirohy tamin’izany ka samy nohenoina teo anoloan’ny fitsarana. Raha ny loharanom-baovao voaray, natao tao anaty efitrano mihidy ny fitsarana ka tsy afaka nanatrika izany ny olona hafa […]
Mahabo: Basy Kalach sy Mas 36 azon’ny zandary
Basy Kalach iray miaraka amin’ny bala roa sy Mass 36 iray no azon’ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny alahady alina teo. Basy nampiasain’ireo dahalo nampitondra faisana ny kaominina Beronono, Ambia, Ankilizato hatrany Mahabo izy ireo. Nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary no nahatrarana ny dahalo iray nitazona izany tao Anjivabe, […]
Fifamaliana nitera-doza: renim-pianakaviana maty notsatoham-badiny antsy
Maty tsy tra-drano vokatry ny vono nataom-badiny ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny kaominina Feramanga, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Nodidian-drangahy ny vihiny ary nitolo-batana teny amin’ny zandary izy taorian’izay. Nisehoana vono olona nahatsiravina tao amin’ ny fokontany Antokazo, kaominina Feramanga Avaratra, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nifamaly vokatry ny tsy fitovian-kevitra […]