Tranga

Nangalatra sy saika hanolana : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray 25 taona, matin’ny fitsaram-bahoaka tetsy Ambatomaro Fétiche, omaly hariva tokony tamin’ny 2 ora sy fahefany tolakandro. Raha ny vaovao voaray, na­nendaka ary saika mbola hanolana vehivavy 18 taona iray, mipetraka eny Amboan­jombe, io lehilahy io sy ny namany iray hafa. Hitan’ny fokonolona izy ireo, ka nifanenjehana. Tratran’ny olona […]

Ivandry : Mpanao sinto-mahery voasambotra

Olon-dratsy mpanao sinto-mahery sady mpangarom-paosy voasambotry ny polisy teny Ivandry, ny marain’ny zoma 9 janoary teo, tamin’ny 7 ora. Mody nitangorona niaraka amin’ireo olona mpiandry taxi-be teo amin’ny fiantsonana io lehilahy io. Mitondra zava-maranitra toy ny hareza izy ka triariny mandritra ny fifanisihan’ireo mpandeha ny kitapo. Olon-tsotra iray lasibatra tamin’io […]

Tokantrano voatafika tetsy Ankadikely : 300 tapitrisa Ar sy fiara 4×4 iray voaroba

Lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 300 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrano iray, tetsy Ankadikely, omaly maraina. Nofatoran’ireo mpanafika ny olona rehetra tao an-tanàna. Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana tokantrano tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy indray ny tokantrano iray tetsy amin’ny fokotany Andranoritra, kaominina An­kadikely Ilafy, omaly, maraina tokony ho tamin’ny 3 […]

Fiara nivarina tany anaty rano : Olona 3 namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny digue, akaikin’ny Apipa Amboavahy, afakomaly alina. Fiara taxi iray no nivarina tao anaty rano, teny an-toe­rana, izay nitondra olona telo. Avy any amin’ny Art Malagasy hihazo an’Andranomena io fiara niharan-doza io. Namoy ny ainy nandritra izany, ny olona telo tao anatiny. Nahi­tana lehilahy […]