Nodorana omaly avokoa ireo rongony milanja 30 117 kg tao amin’ny distrikan’i Betroka. Toarian’ny ezaka nataon’ ny zandarimaria manoloana ny firongatry ny trafikan-drongony ao an-toerana, rongony mitotaly 219 gony nogiazana. Olona miisa 12 voasambotra noho ny fihazonana sy fitanterana ary fikasana hamarotra ireo karazan-java-mahadomelina ireo. Na izany aza, tsy mbola voasambotra […]
Tranga
Sahondrarimalala Marie Michelle : Angatahan’ny Brigade criminelle atao fanadihadiana indray
Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, ny mpisolovava ny solombavahoaka voafidy tao Fianarantsoa I, Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly. Nampanaovin’ny polisy économique Anosy, sonia mahakasika ny famaranana ny fitazomanana azy, ity minisitra teo aloha ity, omaly tamin’ ny 11 ora sy sasany atoandro. « Mbola tsy afaka nody anefa izy io, hatramin’ny omaly […]
Tovolahy nalefa eny Antanimora: Nanindron’antsy ny namany akaiky
Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora rehefa nohainoin’ny fampanoavana ny alakamisy 8 janoary teo, ilay lehilahy nanindrona antsy ny namany teny Ambatoroka. Miverina eny anivon’ny fitsarana Anosy ny 12 febroary ho avy izao, ilay lehilahy namono nahafaty an’i Manampisoa, teny Ambatoroka, araka ny fanazavan’i Manohy izay zokin’ny maty. Nandalo teo anivon’ny […]
Niady ravin-jirofo : Maty nofirainy antsy ny rahalahiny
Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandarimaria ny lehilahy iray namono nahafaty ny rahalahiny, tao amin’ny tanànan’Antenina Sahalava, kaominina Ampasimbe Manasatrana, afakomaly. Nifanaraka andro vitsivitsy lasa talohan’ny fety ireo mpirahalahy ireo. Nivarotra ravin-jirofo tamin’io mpiray tampo aminy io, araka izany, ny lehilahy iray. Mitetina 70 000 Ar ny vidin’ny entana. “Nanome […]
Ivandry: Mpamaky trano voasambotra
Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny fanolorana azy teny anatrehan’ny fampanoavana, ny jiolahy mpamaky trano iray. Telo lahy nifanehatra tamin’ny ekipan’ny polisim-pirenena tanaty elakelan-trano teny amin’ny fokontany Ivandry, boriboritany fahadimy, ny alin’ny talata 6 janoary teo. Nitondra fitaovana fampiasany manao ny asa ratsiny ireo jiolahy ireo. Nitsorika nitsofotsofoka tany anatin’ny […]




