Namoy ny ainy irery teny an-dalana ny lehilahy iray 30 taona tao Andranovory, fokontany Tsarahasina, kaominina Ambositra, omaly. Manana aretina mitaiza izy, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Misy fotoana miseho tampoka, araka izany, io trangan’aretina io. Nianjera tsy nahy tamin’ny sisin-dalana vokatr’izany io lehilahy io. Tsy nahatsiaro tena intsony taorian’izay. Ny […]
Tranga
Naiditra eny Tsiafahy: ny sakaizany ihany no namono an’i Miah
Notanana vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, ilay lehilahy nahavan-doza namono nahafaty an’i Miah teny Nanisana. Voasambotry ny polisin’ny BC2 andro vitsy taorian’ny fahafatesan’io tovovavy io ity sakaizany nahavanon-doza ity. Nosarontsaromana tamin’ny lozam-piarakodia, tratra ihany ny tompon’atoka mivantana tamin’ny fahafatesan’i Miah, ilay tovovavy fanta-daza tamin’ny filalaovana “Echecs”. Ny sakaizan’io tovovavy […]
Nariana tao an-davadrano: zaza vao 2 taona maty novonoin-dreniny
Notanana vonjimaika any am-ponja ny renim-pianakaviana iray namono nahafaty ny zanany vao 2 taona monja, tao Mampikony, omaly. Nisaraka tamin’ny rain-janany io ramatoa io ny volana mey lasa teo. Taizan’aretina anefa ilay zaza ka tsy afa-nitsangana. Manoloana io fahasembanan-janany io, nitsiry ny hevi- dratsin’ilay ramatoa reniny. Novonoina tamin’ny fomba feno […]
Tafaporitsaka ny iray : jiolahy nahatrarana rongony roa gony
Saron’ny zandary tao amin’ny kaominina Belalôgno, distrikan’i Befandriana Avaratra, afakomaly, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny rongony roa gony. Nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ity jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ity ny zandary ka nahafahana nanao ny vela-pandrika. Roa lahy izy ireo no nitondra entana tao amin’ny fokontany Ambodiadabo saingy tafaporitsaka ny iray. […]
Fanararaotana ara-nofo : Pasitera voaheloka higadra herintaona
Nomelohin’ny fitsarana hamita sazy an-tranomaizina herintaona miampy onitra 16 tapitrisa Ar ny pasitera amina fiangonana zandriny iray ao Ambalamanasy Toamasina, nandritra ny fivoahan’ny didim-pitsarana momba azy, ny alakamisy teo… Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny didim-pitsarana manameloka ny pasitera iray ao amin’ny fiangonana zandriny, ao Ambalamanasy Toamasina. Nomelohin’ny fitsarana hamita […]