Sakafo “mayonnaise” nivadika no nitarika ny fahavoazan’ny olona miisa 36 mianaka tao Toliara, araka ny ahiahian’ny mpikarakara ny sakafo. Tafakatra 36 ireo olona lasibatra ka voatery naiditra hopitaly hatramin’ny omaly. Lehilahy, zaza amam-behivavy miisa 36 samy voatery nandalo fitsaboana tao anivon’ny CHU Tanambao, kaominina Toliara avokoa, hatramin’ny omaly maraina. Nitrangana […]
Tranga
Ambohimanga Rova: Lehilahy hita faty
Hitan’ny fokonolona vao maraina ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray, teny Ambodisiarivo, kaominina Ambohimanga Rova, omaly maraina. Nanao akanjo tsara io olona io saingy tsy nisy taratasy nahafahan’ny tomponandraikitra namantarana azy, tamin’ny fotoana nahitana azy. Tsy maty noho ny vono olona io lehilahy io, araka ny fanambaran’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambohimanga. «Nilaza […]
Akon’ny faran’ny taona: Olona roa namoy ny ainy, 235 naiditra hopitaly
Tsy nieren-doza ny fetin’ny faran’ny taona sy taombaovao. Olona roa namoy ny ainy, 235 naratra teny amin’ny HjRA. Tafakatra 16 kosa ny lozam-pifamoivoizana voaisan’ny polisy. Olona roa namoy ny ainy ary olona 235 nandalo fizaham-pahasalamana ny alin’ny 31 desambra sy ny 1 janoary teo, araka ny loharanom-baovao teny anivon’ny hopitaly […]
Talata Volonondry: mpamily iray maty tsy tra-drano
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina teny Idilana, fokontany Avaratsena, kaominina ambanivohitra Talata Volonondry, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Niseho teo amin’ny lalam-pirenena fahatelo, PK 29 + 800 ny loza. Fiara iray marika Nissan Fourgon, avy any Ankazondandy, hizotra ho aty Antananarivo, no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nandona sy […]
Namaky Banky tao Ambatondrazaka: enin-dahy nandroba 347 tapitrisa Ar
Mpiambina tao amin’ilay banky ny roa lahy tamin’ireo jiolahy enina voasambotry ny polisim-pirenena tao Ambatondrazaka, ny 25 desambra teo. Nalain’izy ireo ny vola an-tapitrisany. Jiolahy enina niara-voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampandraharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava Anosy sy ny polisy ao Ambatondrazaka, ny 25 desambra lasa teo. Nitrangana […]




